sábado, 3 de setembro de 2016

FITSOFANDRANO MPIANATRA SY MPAMPIANATRA ARY MPAMPIBE (SEKOLY)

Fitsofandrano Mpianatra sy Mpampianatra ary Mpampibe(sekoly)

Nalaina tamin’ny Fitsofandrano sekoly vaovao… - Boky fitsofandrano, tk 51-56

Azo atao amin’ny fanombohana ny taom-pianarana. Pretra na Diakra no mitarika. Raha atao mandritra ny Fankalazana ny Eokaristia, dia ny Vavaka sy ny Vakinteny atoron’ny Eglizy ihany no atao raha alahady na andro voadidy hohamasinina. Raha tsy alahady ny andro ary raha tsy misy fankalazana ny olomasina manokana kosa, dia azo fidîna ny Sorona fanajana ny Fanahy Masina (Boky Sorona Masina andavanandro, tk 2017 [2003]. Aorian’ny Evanjely dia hazavain’ny Mpitarika ny Soratra Masina sy ny hevitry ny Fankalazana. Dia atao ny Ranombavaka, raha misy, sy ny Vavaka Fitsofandrano.

Tenin'ny Mpitarika alohan’ny vavaka fitsofandrano (amboarina arakaraka ny taonan’ny mpianatra:
           Andriamanitra Tompon’ny fahaizana, dia mitarika antsika amin’ny fomba maro hahalala Azy lalindalina kokoa ; fa ny Zanany tonga nofo ho antsika no nameno ny fahalalantsika Azy. Ary anjaran’ny sain’ny olombelona kosa ny mikaro-dalana amin’ny taranjam-pianarana sy ny karazam-pianarana rehetra…
           Angatahontsika Izy Tompo àry ho an’ireo hampibe ny ankizy sy ny tanora mba hampianatra ny fahendren’olombelona amin’ny fo mahitsy, miaraka amin’ny fahamarinana atoron’ny Evanjely. Ary mba ho hitan’ny mpianatra ao amin’ireo mpampianatra azy i Kristy Mpampianatra, hitomboany fahaizana sy fahalalana, na momba ny olombelona, na momba an’Andriamanitra…

Vavaka fitsofandrano ny Mpampianatra sy ny Mpampibe (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
            Ry Tompo Andriamanitra Rainay ô,
            mba henoy ny fangatahanay zanakao mitalaho aminao manao hoe:
            mba tsofirano ireto mpampianatra sy mpampibe ireto,
            noho ny fahavononana asehony hampibe ny zanakay,
            ary omeo azy ireo ny fahasoavanao mitafotafo
            hahafahany hanao amin-kerim-po
            izany asa fibeazana ny vahoakanao izany
            ho vavolombelon’i Kristy Zanakao
            sy ho mpanompon’ny fampihavanana.
            Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao
            ao amin’ny Fanahy Masina mandrakizay mandrakizay. Amen.

Vavaka fitsofandrano ny Mpianatra (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
            Ary amin’izao, ry Ray,
            dia mba todiho maso miantra ireto zanakao, ankizy sy tanora,
            izay hobeazina araka ny maha olona
            sy hampianarina fahaizana haisoratra.
            Enga anie homban’ny tsodranonao miavosa izy ireo
            hahafahany hikatsaka ny marina mandrakariva
            ary hahalala Anao, hany loharanon’ny Fahamarinana.
            Amin’ny alalan’i Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay izany.
Daholo: Amen.

Vavaka fitsofandrano iombonana (atsotra ny tanana)
            Andriamanitra Tompon’ny fahaizana anie
            hanoro antsika ny lalany ;
            I Kristy Fahendrena mandrakizay anie
            hampianatra antsika ny teny Fahamarinana ;
            ny Fanahy Masina Fahazavana mahasambatra anie
            hanazava ny saintsika mandrakariva,
            mba hianarantsika ny marina sy ny tsara
            ary hanatanterahantsika izay nianarantsika. V/ Amen. 

Fankalazana ny Eokaristia

Raha misy ny Fankalazana ny Eokaristia dia atao amin’izao ny fitondrana ny fanatitra; tsara raha ankinina amin’ny solontenan’ny mpianatra, mpampianatra, mpampibe ary ray aman-dreny  ny fitondrana azy :
Zavatra omanina:
Þ Ny Mofo sy ny Divay ary ny Rano anaovan-tSorona (tsy entina ny Kalisy)
Þ Kahié sy sitilô
Þ Boky (ohatra Rakibolana, na ireo boky fianarana isaky ny taranja...
Þ Sarintany na Bolantany
Þ Tsaoka, Tsipika, Rapaortera, Ekera...
Þ Jiro tsy mbola mirehitra
Þ Kilalaon-jaza “maternelle”

Mpanentana (alohan’ny fitondrana ny fanatitra): Miaraka amin’ny Mofo sy ny Divay ary ny Rano izay hankalazantsika ny Eokaristia dia entina amin’izao koa ireo fitaovana hampiasaintsika andavanandro any an-tsekoly. Ny fiainantsika manontolo àry no hatolotsika an’Andriamanitra mba ho iray ihany amin’ny fiainan’i Jesoa.
Entina avy ery afara ireo fanatitra ireo mandritra ny fihirana ny hoe:
Atolotro anao, Andriamanitra ô, / atolotro ny tenako rehetra
Omeko anao ho varo-tsy mifody / Ry Tompo ô, raiso re raha sitrakao
                Mba raiso na tsy mendrika aza mba ho anao mandrakizay.
Izaho anefa olona mpanota / ny sitrako malemy sady osa
kanefa re matoky ny Fonao / Ry Tompo ô, ianao no heriko. / Mba raiso...      

Rahefa tonga eo akaikin'ny Otely ireo olona teo dia samy miatrika ny mpiangona; hotandremana anefa mba tsy ho takona na ny Otely na ny Mpitarika. Mandroso kely ny tsirairay arakaraka ny fanazavana atao:
Kahiê sy sitilô
Mpamaky teny (mpianatra): Indro ireo fitaovana ampiasain’ny mpianatra isan’andro mba ho olom-banona ho an’ny Eglizy sy ny Firenena. Ndeha àry atolotsika ny Tompo ny ezaka hikaroka ny rariny sy ny hitsiny :
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo; mandritra izany dia averina ny fiverenana:
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Boky isan-karazany
Mpamaky teny (mpampibe): Ao anatin’ireto boky ireto no ahitantsika ny fahaizana hozaraina amin’ity taom-pianarana vaovao ity ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hitady ny soa iombonana :
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Sarintany na Bolantany
Mpamaky teny (mpampianatra): Ity sarintany (bolantany) ity dia aoka hanambara ny fiombonantsika amin’ireo rehetra mijaly sy tsy ampy fivelomana sy fianarana eran’izao tontolo izao ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hihavana sy hampihavana :
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Tsaoka, Tsipika, Rapaortera, Ekera...
Mpamaky teny (mpianatra) : Manambara ny fikarohana takina amintsika ireto fitaovana ireto; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hikaroka ny fivoaran’ny zanak’olombelona:
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Jiro tsy mbola mirehitra
Mpamaky teny (relijiozy, raha misy) Manambara finoana an’i Kristy velona ny jiro mirehitra ; koa ndeha arehitra ao am-pontsika ny finoana an’i Jesoa ilay Mpampianatra ny soa rehetra
Arehitra ao amin’ny jiron’ny Ôtely iny jiro kely iny ary apetraka eo ambony Ôtely…
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Kilalaon-jaza “maternelle”
Mpamaky teny (ray aman-dreny): Na ny kilalaon-jaza aza dia manjary fitaovana enti-mampibe sy mikolokolo ny maha-olona; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hanaja ny zo maha-olombelona eran-tany.
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Mofo, Divay, Rano anaovan-tSorona
Mpamaky teny (mpiservy) : Ireto no tolotra lehibe indrindra satria hanjary Vatana aman-dRan’i Jesoa Kristy Mpamonjy an’izao tontolo izao ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hiombona tanteraka amin’Izy Tompo mba samy hiray fo, hiray saina, hiray asa aminy isika mianakavy.
Homena ny pretra ireo ary homanina ny Sorona…
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Dia atao koa ny andininy fahatelo :
Mba sambatra aho, fa manompo anao, / ny heriko atokako ho anao.
Hatramin'izay fara fofon'aiko, / Ry Tompo ô, tsy hivadika aminao.

Tsodrano famaranana ny Fankalazana

Mpitarika: Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.
V/ Ho tanteraka tokoa anie izany.
manatsotra tanana roa ny Mpitarika
* Enga anie Andriamanitra Tompon’ny fahaizana hankahery anatsika amin’ny tsodranony. V/ Amen.
* Enga anie i Kristy hany Mpampianatra hampianatra antsika ny Teny fiainana mandrakizay. V/ Amen.
* Enga ny Fanahy Masina Mpankahery hitarika antsika ho tonga eo amin’ny marina manontolo. V/  Amen.
* Enga anie hirotsaka amintsika ary homba antsika  mandrakariva ny tsodranon’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra : ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. V/ Amen.

Mandehana amim-piadanana ka anomezo voninahitra ny Tompo ny fiainana manontolo.
     V/ Hisaorana anie Andriamanitra.

Sem comentários:

Enviar um comentário