Fitsofandrano ireo homena andraikitra hampianatra katesizy
Jereo Boky fitsofandrano, tk 34-36Jereo koa Fotoampivavahana anombohana ny taom-pianarana Katesizy
Pretra na Diakra no mitarika.
Raha atao mandritra ny Fankalazana ny Eokaristia, dia ny Vavaka sy ny Vakinteny
atoron’ny Fiangonana ihany no atao raha alahady na andro voadidy hohamasinina.
Raha tsy alahady ny andro ary raha tsy misy fankalazana ny olomasina manokana
kosa, dia azo fidîna ny Sorona ho an’ny kristianina tsotra (Sorona Masina
andavanandro, tk 1910 [1902]. Aorian’ny Evanjely dia hazavain’ny Mpitarika ny
Soratra Masina sy ny hevitry ny Fankalazana. Dia atao ny Ranombavaka, raha
misy, sy ny Vavaka Fitsofandrano.
Tenin’ny Mpitarika alohan’ny
vavaka fitsofandrano (amboarina arakaraka ny
taonan’ny mpianatra):
Asa
vadi-drano tsy vita tsy ifanakonana ny fitondran’ny Fiangonana ny Vahoakan’Andriamanitra,
mba ho matotra ara-pinoana ny Eglizy manontolo sy ny kristianina tsirairay, ary
samy hankalaza ny finoany sy ho vavolombelon’ny finoany eo amin’ny fiainany.
Koa
antsoina hiara-miasa amin’izany ireo mahafoy tena hampianatra Katesizy, ka
manoro ny firosoana ho kristianina, ary koa mizara ny fahalalany sy ny
foto-pinoana, amin’ireo efa nohazavain’ny Tenin’Andriamanitra, sy ny
fampianaran’ny Eglizy, ka efa nianatra ny tokony ho fantatra sy ny tokony
hankalazaina.
Koa
aoka isika hisaotra ny Tompo noho ireto mpiara-miasa amintsika ireto, ary
hangataka mba hirotsaka miavosa aminy ny fahasoavan’ny Fanahy Masina ilainy,
hanatontosany ny fanompoany eto amin’ny Fiangonana misy antsika.
Vavaka Fitsofandrano (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
Enga
anie, ry Tompo,
ireto
mpanomponao, haniry hahafoy tena hampianatra katesizy,
mba
ho sitrakao hohamafisina amin’ny fikasany,
amin’ny
tsodranonao Andriamanitra Ray ;
ka
izay hianarany eo am-pandinihana ny Teninao,
sy
eo am-panatanterahana ny fampianaran’ny Fiangonanao anie,
mba
hiezahany hampianarina ny olona,
ka
hiarahany amin’ireo harisika sy haharitra manompo anao.
Amin’ny
alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Tsodrano famaranana ny Fankalazana
Homba
antsika mianakavy anie ny Tompo.
Ho
tanteraka tokoa anie izany.
Manatsotra tanana roa ny
Mpitarika:
* Enga anie Andriamanitra, nampiseho ny
fahamarinany sy ny fitiavany tao amin’i Kristy, mba hanampy antsika ho
vavolombelon’ny Evanjely sy ny fitiavany, eo amin’izao tontolo izao. V/
Amen.
* Enga anie i Jesoa Kristy, nampanantena
fa ho eo amin’ny Egliziny mandra-pahatapitry ny taona rehetra, mba hanamafy ny
asantsika sy ny tenintsika. V/ Amen.
* Enga anie ny Fanahin’ny Tompo ho ao
aminsika, mba hahafahansika manampy an’ireo mpitory ny Teniny. V/
Amen.
* Ary isika rehetra manatrika etoana,
hitso-drano ansika anie Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, ny Ray sy ny
Zanaka † sy ny Fanahy Masina. V/ Amen.
Mandehana mitory ny Evanjelin’ny Tompo.
V/ Hisaorana anie
Andriamanitra
Sem comentários:
Enviar um comentário