sábado, 12 de novembro de 2016

Fiavian'ny Tompo - "Couronne d'avent" (fanentanana)

Fiavian’ny Tompo
fanentanana “couronne d’avent”
Razokibe José, scj



Zavatra homanina:
    Labozia dimy: Maitso, Mena, Mavokely, Manga,  Fotsy
    Ravi-maitso, sy Voninkazo mitovy loko amin’ny labozia, raha azo atao.

Fanazavana:
- Eo amin’ny toerana hasiana ny tranon’omby na eo akaikin’ny Famakian-teny no asiana ny fitoeran’ireo jiro ireo; an-koatran’ny “sapin” dia mbola azo ravahana Hasina na  Amontana, ohatra.
- Entina tsirairay amin’ny fotoana voatondro ireo jiro efatra ireo na efa apetraka mialoha eo amin’ny fitoerana, raha izany no tsaratsara kokoa, ka arehitr’izay voatendry mandritra ny fanentanana. Ny jiron’ny otely no ampirehetana azy.
- Raha toa ka sarotra loatra ny ahitana labozia miloko toy ny voalaza etsy ambony, dia labozia tsotra ihany no ampiasaina nefa asiana haingo (“ruban”, ohatra) hampiavahana azy.
- Isaky ny alahady dia asiana voninkazo iray eo an-tongotry ny fitoeran-dabozia efa mirehitra sy ilay vao harehitra; araka izay mety dia hatao mitovy loko amin’ny labozia.
- Misy mpamaky teny manao ny fanentanana eo amin’ny toeran’ny mpanentana (tsy miakatra ho eo amin’ny Famakian-teny).
- Avy eo anivon’ny mpiangona ireo mitondra ny labozia (Tovovavy, Lehilahy olon-dehibe, Zazalahy, Vehivavy bevohoka).
- Azo atao ho teny fanokafana ity fanentanana ity; raha izany dia ajanona ny Fifonana fa atao kosa ny Tompo ô, mamindrà fo aminay...
- Amin’ny sasakalin’ny Noely vao hasiana ny jiro FOTSY lehibebe kokoa izay ampirehetana amin’ny fihirana ny Antsa Voninahitra anie na aorian’ny Evanjely.

Alahady voalohany (labozia maitso)
Mpanentana : Ity jiro maitso ity no jiron’ny FANANTENANA izay manazava antsika mamakivaky lalan-tsarotra ety an-tany; na dia anaty haizim-pito aza isika, dia mino fa miara-dalana amintsika ny Tompo.
        Amin’izao herinandro voalohany amin’ny Fiavian’ny Tompo izao dia aoka isika hazoto hiambina sy hivavaka satria efa akaiky antsika i Kristy ilay Nantenaina; fa Izy no mitondra ny fahazavana tsy misy lefy, ny fiadanana lavorary ary ny hafaliana marina.
       Aoka tsy hisy hanala ny Fanantenantsika:

Tovovavy mitondra ny Labozia MAITSO izay hampirehetany amin’ny Jiron’ny Ôtely vao hapetrany eo amin’ny fitoerana voaomana rahateo.
Asiana hira toy ny hoe:
         Ianao no hazavana, Jesoa Kristy Zokinay,
         Ianao no arahinay amin’ny fiainanay.
                 Hoy ny antsonay sy baikonay vahoaka notiavinao:
                 Hohamasinina anie ny Anaranao,
 ho tonga anie ny Fanjakanao.

Alahady faharoa (labozia mena)
Mpanentana: Mampahatsiahy antsika ny martirin’i Joany Batista ity jiro mena ity. I Joany no nanambara ny Famonjena ho an’ny olon-drehetra, tamin’Izy nanomana ny vahoaka handray an’i Kristy Mpamonjy. Na dia anaty haizim-pito aza isika, dia mino fa miara-dalana amintsika ny Tompo.
        Koa enga anie izao fampirehetana ny jiro mena izao mba hanentana antsika hibebaka sy hivonona hanolo-tena ho an’ny Tompo sy ny fiarahamonina.
        Aoka tsy hisy hanala ny Fiadanantsika.

Lehilahy olon-dehibe mitondra ny Labozia MENA izay hampirehetany amin’ny Jiron’ny Ôtely vao hapetrany eo amin’ny fitoerana voaomana rahateo.
Asiana hira toy ny hoe:
         Amboary ny lalan’ny Tompo…
               Ahitsiho ny melomeloka rehetra…

Alahady fahatelo (labozia mavokely)
Mpanentana: Manambara HAFALIANA ity jiro mavokely ity. Satria fotoana hifaliana sy hiravoravoana no izao fiomanantsika handray ny Tompo efa tonga ary mbola ho avy izao. Na dia anaty haizim-pito aza isika, dia mino fa miara-dalana amintsika ny Tompo, ka faly sahady fa hiara-belona aminy koa.
        Aoka tsy hisy hanala ny Hafaliantsika.

Zazalahy mitondra ny Labozia MAVOKELY izay hampirehetany amin’ny Jiron’ny Ôtely vao hapetrany eo amin’ny fitoerana voaomana rahateo.
Asiana hira toy ny hoe:
         Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo
                Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao:
                Ary mba omeo anay ny vonjy avy aminao.

Alahady fahefatra (labozia manga)
Mpanentana: Inty ny jiro manambara ny alahady alohan’ny Fankalazana ny Nahaterahan’ny Tompo. Manga izy io satria manambara ny lanitra sy i Masina Maria, Renin’i Jesoa sady Renin’ny Eglizy. Tahaka an’i Maria dia vonona hihaino sy hanatanteraka ny feon’ ny Tompo isika ka handray amim-pinoana ny Ain’Andriamanitra.
        Aoka tsy hisy hanala ny Herim-pontsika.

Vehivavy bevohôka, raha azo atao, mitondra ny Labozia MANGA izay hampirehetany amin’ny Jiron’ny Ôtely vao hapetrany eo amin’ny fitoerana voaomana rahateo.
Asiana hira toy ny hoe:
         Arotsahy re, ô ry lanitra ô, ny andonao mpamelombelona
         Mba iraho re, Andriamanitra ô, ‘lay Zanakao mpamonjy anay.
                Mba jereo, ry Tompo, ny fahorianay,
                Ka iraho hatrany ilay halefanao,
                Ny Mesia Zanakondry sady Tomponay,
                Izy no hamaha ireto fatotray.





1 comentário:

  1. Home Build Guide: Making a welding titanium - ITanium Art
    This article explains how titanium body armor to weld titanium carabiners titanium with titanium dental welding tips, titanium exhaust wrap build an a new home that is built with oakley titanium sunglasses a custom and traditional layout of your

    ResponderEliminar