domingo, 4 de dezembro de 2016


taombaovao
ranombavaky ny mpino
(fiangonana alahady tsy misy pretra)

Noheverina hatao amin’ny Fiangonana alahady tsy misy pretra ity Ranombavaky ny mpino ity; raha eken’ny pretra tomponandraikitra anefa, dia azo atao amin’ny fankalazana ny Eokaristia ihany koa.
Loharano nipoirana: Andron’ny Tompo A 100; Sorona Masina Alahady 97; Pedrosa Ferreira, Fica connosco, ed Salesianas, Porto 1991, pp 111-112.
Zavatra omanina (olona 7) : Boky Evanjely, Famantaranandro lehibe, Rakibolana, Kalandriê, Boky Katesizy, Sapilé, Voninkazo.
Amin’ny fotoan’ny Ranombavaka dia entina indray miaraka ireo fitaovana ireo ka mijoro akaikin’ny Famakian-teny ny mpitondra azy.
Mpamaky teny iray no manonona ny antony ivavahana: asandratra ny famantarana voalaza amin’izay ary aseho amin’ny vahoaka; avy eo dia apetraka eo an-tongotry ny Ôtely na eo akaikin’ny Tranon’omby mandritra ny fihirana ny fiveranana.  

Mpitarika: Ry havana, amin’izao fitombohana ny Taona izao dia ndeha isika hivavaka amin’Andriamanitra izay misy hatrizay; fa tiany loatra izao tontolo izao ka nomeny azy ny Zanany Lahitokana, ary tiany homena miaraka aminy koa ny fanambinana, ny fahasambarana sy ny fiadanana marina mandritra ny andro rehetra hiainantsika:
Fiv: Ekeo, ry Tompo izao vavakay e e! (na hafa…)
1. Boky Evanjely – Eto am-pibanjinana ny Boky Evanjely dia aoka isika hivavaka ho an’ny Eglizy Renintsika: enga anie izy amin’ity taona ity ho afaka hampiroborobo ny asa sahaniny eran-tany hanasoa ny olombelona. / Fiv: Ekeo, ry Tompo…
2. Famantaranandro – Ndeha isika hivavaka ho an’ny mpitondra sy ny mpikatroka rehetra ary koa ho an’ireo mahafoy tena ka mandany andro aman’alina hanasoa ny namana: mba hanovozany herim-po sy fahazotoana ity taona vaovao ity. / Fiv: Ekeo, ry Tompo…
3. Rakibolana – Ao anatin’ity Rakibolana ity no ahitantsika ireo teny rehetra ampiasaina andavanandro. Koa aoka isika hivavaka mba hahitantsika mandrakariva ireo teny mamy ifanaovantsika soa sy ifankatiavantsika mandritra ny andro rehetra hiainantsika amin’izao taombaovao izao. / Fiv: Ekeo…
 4. Kalandriê – Indro ny kalandriên’ity taombaovao ity. Ndeha isika hivavaka mba hanjaka isan’andro vaky ny fiadanana sy ny fahamarinana ary ny hafaliana: ao anatin’ny fianakaviantsika tsirairay, ny tananantsika, ny firenentsika sy eran’izao tontolo izao. / Fiv: Ekeo…
5. Katesizy – Mivavaha isika mba hazoto hianatra katesizy ny ankizy sy ny tanora ary ny olon-dehibe, hahafahantsika hanamafy ny finoantsika sy hampianatra eny amin’ny manodidina antsika ny teny soa ampianarin’i Kristy. Ary mbola hivavaka ihany koa isika mba ho maro amintsika ireo hahafoy tena hampianatra katesizy sy hampibe ara-pinoana. / Fiv: Ekeo…
6. SapilèMivavaha mba ho tena Mpanjakantsika sy Renintsika tokoa i Maria Virjiny, ary hanampy antsika hahay manangona ny olona rehetra ho fianakaviamben’Andriamanitra; ary isika koa mba hazoto hivavaka isan’andro ho fiderana Azy sy ho famonjena an’izao tontolo izao. / Fiv: Ekeo…
7. Voninkazo – Mivavaha isika ho an’ireo rehetra anaty fahoriana isan-karazany: ady, fanenjehana, hanoanana, alahelo; ary mba hahatsapantsika fa mampijoro ho mpampihavana sy mpitondra hafaliana ny maha-kristianina antsika. / Fiv: Ekeo…

Mpitarika: Amin’izao taom-baovao nomenao anay izao, ry Tompo, dia mahatsiaro ny soa sesehena nanambinanao anay izahay: satria Ianao no nahary sy namonjy, Ianao ihany no isaoranay sy antenainay; koa tahio sy vimbino izahay zanakao: tsy hikely soroka hampiova an’izao tontolo izao ho feno fihavanana bebe kokoa, ary ho sambatra mifanasoa, ho voninahitry ny Anaranao. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

quarta-feira, 23 de novembro de 2016

Mankany @Fahazavan'ny Noely

Mankany amin'ny Fahazavan’ny Noely

Fanomanana ny Noely "Couronne d'Avent" noheverina hataon’ny mpianatra katesizy
Fandaminana sy fandrafetana: Razokibe José

Zavatra ilaina
Labozia 4: volomparasy 3, mavokely 1
Ravi-maitso “sapin”, amontanha, hasina…
Tsara ho fantatra mialoha
Fombampivavahana noheverina ho an’ny mpianatra katesizy izy ity.
Tsara raha ireo ankizy/tanora mihitsy no manamboatra ny “fehibory” izay hapetraka eo amin’ny toerana ianarana katesizy.
Eo amin’iny toerana iny no tsara hanaovana ny Tranon’omby rehefa tonga ny Noely.
Raha hita fa tsaratsara kokoa anefa dia ilay “couronne d’avent” ampiasaina ao am-piangonana no mba anaovana ity fombampivavahana ity amin’ny fotoana sahaza.
Na dia tsy alahady aza ny andro ianarana katesizy dia amin’ilay herinandro mifandray aminy no mba hanatanterahana ny fombampivavahana.

Alahady voalohany
Mpamaky teny 1: Rehefa tsy nanaiky an’Andriamanitra ireo razantsika tany am-boalohany dia nilentika tanaty haizina ny fiainany ka tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny herin’ny fahotana.
Mpamaky teny 2: Andriamanitra anefa dia nampanantena azy fa haniraka ny Zanany hanavotra antsika sy hampisy indray ny fahazavan’ny fiainana.
Mpamaky teny 1: Efa tonga Izy nony teraka tao Betilehema  mba hanokatra ho antsika ny varavaran’ny Tranony sady mbola ho avy indray amim-bominahitra amin’ny farandro.
Mpamaky teny 2: Ary efa eto anivontsika tafangona amin’ny Anarany mihitsy Izy fa izany no nampanantenainy.
Mpamaky teny 1+2: Ndeha isika handrehitra ny Fahazavan’ny Fanantenana.
Arehitra ny jiro voalohany sady hatao ny hira hoe:
     Ianao no Hazavana, Jesoa Kristy Zokinay
     Ianao no arahinay amin’ny fiainanay.
          Hoy ny antsonay sy baikonay vahoaka notiavinao
          Hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao.

Alahady faharoa
Efa mirehitra ny jiro voaholany
Mpamaky teny 1: Nandritra ny taonjato nifandimby dia efa nirahin’Andriamanitra ireo tokony hanomana ny fahatongavan’ny Zanany; tsy iza ireny fa ny Patriarka toy an-dry Abrahama, ny Mpaminany ohatra an’i Izaia ary ny Mpanjaka tahaka an’i Davida…
Mpamaky teny 2: Nambaran'izyireo fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nolazainy fa tsy maintsy miova toetra sy fomba fiainana isika mba handray Azy Tompo.
Mpamaky teny 1: Dia ahoana isika izao? Vonon-kiova toe-tsaina ve isika? Vonona hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny ve? Vonon-kandray andraikitra eo amin’ny fiangonana sy ny fiarahamonina va?
Mpamaky teny 2: Ndeha àry isika hiezaka hanaraka an-tsakany sy an-davany ny Tenin’Andriamanitra ka hanao izay rehetra hampanaoviny antsika.
Mpamaky teny 1+2: Ndeha isika handrehitra ny Fahazavan’ny Fahamarinana.
Arehitra ny jiro faharoa sady hatao ny hira hoe:
     Ianao no Fahendrena, Jesoa Kristy Zokinay
     Ianao no arahinay amin’ny fiainanay.
          Hoy ny antsonay sy baikonay vahoaka notiavinao
          Hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao.

Alahady fahatelo
Efa mirehitra ny jiro voaholany sy ny faharoa
Mpamaky teny 1: I Joany Batista koa dia nanambara an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra.
Mpamaky teny 2: Nolazainy fa tonga i Jesoa mba hampody hafaliana amin’ny namany sady hitondra azy mankany amin’ny tranon’ny Rainy.
Mpamaky teny 1: Kanefa ny tendrombohitry ny fahambonian-teny dia tsy maintsy haetry ary hahitsiana ny meloka rehetra.
Mpamaky teny 2: Ary tsy maintsy hijoro ho kristianina manatanteraka adidy isika sady hamafy hafaliana sy fihavanana hatraiza hatraiza.
Mpamaky teny 1+2: Ndeha isika handrehitra ny Fahazavan’ny Hafaliana.
Arehitra ny jiro fahatelo sady hatao ny hira hoe:
     Ianao no Mpankahery, Jesoa Kristy Zokinay
     Ianao no arahinay amin’ny fiainanay.
          Hoy ny antsonay sy baikonay vahoaka notiavinao
          Hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao.

Alahady fahefatra
Efa mirehitra ny jiro telo
Mpamaky teny 1: Androany dia i Maria, Renin’i Jesoa, no hampianatra antsika hihaino mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra sy hanatanteraka azy amin’ny fo manontolo.
Mpamaky teny 2: Ary fakan-tahaka ho antsika ihany koa i Josefa, vadin’i Maria noho izy nahay nanatanteraka ny Tenin’Andriamanitra, eny na dia anatin’ny sarotra aza.
Mpamaky teny 1: Efa mby akaikin’ny Noely isika izao ka aoka isika handinika tsara ny fomba handraisantsika an’i Jesoa.
Mpamaky teny 2: Mba misy toerana ho azy ve ao amin’ny fiainantsika? Vonona hahita Azy amin’ireo rehetra mila ny fanampiantsika va?
Mpamaky teny 1+2: Ndeha isika handrehitra ny Fahazavan’ny Fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana.
Arehitra ny jiro fahefatra sady hatao ny hira hoe:
     Ianao no Famonjena, Jesoa Kristy Zokinay
     Ianao no arahinay amin’ny fiainanay.
          Hoy ny antsonay sy baikonay vahoaka notiavinao
          Hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao.

sábado, 12 de novembro de 2016

Fiavian'ny Tompo - "Couronne d'avent" (fanentanana)

Fiavian’ny Tompo
fanentanana “couronne d’avent”
Razokibe José, scj



Zavatra homanina:
    Labozia dimy: Maitso, Mena, Mavokely, Manga,  Fotsy
    Ravi-maitso, sy Voninkazo mitovy loko amin’ny labozia, raha azo atao.

Fanazavana:
- Eo amin’ny toerana hasiana ny tranon’omby na eo akaikin’ny Famakian-teny no asiana ny fitoeran’ireo jiro ireo; an-koatran’ny “sapin” dia mbola azo ravahana Hasina na  Amontana, ohatra.
- Entina tsirairay amin’ny fotoana voatondro ireo jiro efatra ireo na efa apetraka mialoha eo amin’ny fitoerana, raha izany no tsaratsara kokoa, ka arehitr’izay voatendry mandritra ny fanentanana. Ny jiron’ny otely no ampirehetana azy.
- Raha toa ka sarotra loatra ny ahitana labozia miloko toy ny voalaza etsy ambony, dia labozia tsotra ihany no ampiasaina nefa asiana haingo (“ruban”, ohatra) hampiavahana azy.
- Isaky ny alahady dia asiana voninkazo iray eo an-tongotry ny fitoeran-dabozia efa mirehitra sy ilay vao harehitra; araka izay mety dia hatao mitovy loko amin’ny labozia.
- Misy mpamaky teny manao ny fanentanana eo amin’ny toeran’ny mpanentana (tsy miakatra ho eo amin’ny Famakian-teny).
- Avy eo anivon’ny mpiangona ireo mitondra ny labozia (Tovovavy, Lehilahy olon-dehibe, Zazalahy, Vehivavy bevohoka).
- Azo atao ho teny fanokafana ity fanentanana ity; raha izany dia ajanona ny Fifonana fa atao kosa ny Tompo ô, mamindrà fo aminay...
- Amin’ny sasakalin’ny Noely vao hasiana ny jiro FOTSY lehibebe kokoa izay ampirehetana amin’ny fihirana ny Antsa Voninahitra anie na aorian’ny Evanjely.

Alahady voalohany (labozia maitso)
Mpanentana : Ity jiro maitso ity no jiron’ny FANANTENANA izay manazava antsika mamakivaky lalan-tsarotra ety an-tany; na dia anaty haizim-pito aza isika, dia mino fa miara-dalana amintsika ny Tompo.
        Amin’izao herinandro voalohany amin’ny Fiavian’ny Tompo izao dia aoka isika hazoto hiambina sy hivavaka satria efa akaiky antsika i Kristy ilay Nantenaina; fa Izy no mitondra ny fahazavana tsy misy lefy, ny fiadanana lavorary ary ny hafaliana marina.
       Aoka tsy hisy hanala ny Fanantenantsika:

Tovovavy mitondra ny Labozia MAITSO izay hampirehetany amin’ny Jiron’ny Ôtely vao hapetrany eo amin’ny fitoerana voaomana rahateo.
Asiana hira toy ny hoe:
         Ianao no hazavana, Jesoa Kristy Zokinay,
         Ianao no arahinay amin’ny fiainanay.
                 Hoy ny antsonay sy baikonay vahoaka notiavinao:
                 Hohamasinina anie ny Anaranao,
 ho tonga anie ny Fanjakanao.

Alahady faharoa (labozia mena)
Mpanentana: Mampahatsiahy antsika ny martirin’i Joany Batista ity jiro mena ity. I Joany no nanambara ny Famonjena ho an’ny olon-drehetra, tamin’Izy nanomana ny vahoaka handray an’i Kristy Mpamonjy. Na dia anaty haizim-pito aza isika, dia mino fa miara-dalana amintsika ny Tompo.
        Koa enga anie izao fampirehetana ny jiro mena izao mba hanentana antsika hibebaka sy hivonona hanolo-tena ho an’ny Tompo sy ny fiarahamonina.
        Aoka tsy hisy hanala ny Fiadanantsika.

Lehilahy olon-dehibe mitondra ny Labozia MENA izay hampirehetany amin’ny Jiron’ny Ôtely vao hapetrany eo amin’ny fitoerana voaomana rahateo.
Asiana hira toy ny hoe:
         Amboary ny lalan’ny Tompo…
               Ahitsiho ny melomeloka rehetra…

Alahady fahatelo (labozia mavokely)
Mpanentana: Manambara HAFALIANA ity jiro mavokely ity. Satria fotoana hifaliana sy hiravoravoana no izao fiomanantsika handray ny Tompo efa tonga ary mbola ho avy izao. Na dia anaty haizim-pito aza isika, dia mino fa miara-dalana amintsika ny Tompo, ka faly sahady fa hiara-belona aminy koa.
        Aoka tsy hisy hanala ny Hafaliantsika.

Zazalahy mitondra ny Labozia MAVOKELY izay hampirehetany amin’ny Jiron’ny Ôtely vao hapetrany eo amin’ny fitoerana voaomana rahateo.
Asiana hira toy ny hoe:
         Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo
                Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao:
                Ary mba omeo anay ny vonjy avy aminao.

Alahady fahefatra (labozia manga)
Mpanentana: Inty ny jiro manambara ny alahady alohan’ny Fankalazana ny Nahaterahan’ny Tompo. Manga izy io satria manambara ny lanitra sy i Masina Maria, Renin’i Jesoa sady Renin’ny Eglizy. Tahaka an’i Maria dia vonona hihaino sy hanatanteraka ny feon’ ny Tompo isika ka handray amim-pinoana ny Ain’Andriamanitra.
        Aoka tsy hisy hanala ny Herim-pontsika.

Vehivavy bevohôka, raha azo atao, mitondra ny Labozia MANGA izay hampirehetany amin’ny Jiron’ny Ôtely vao hapetrany eo amin’ny fitoerana voaomana rahateo.
Asiana hira toy ny hoe:
         Arotsahy re, ô ry lanitra ô, ny andonao mpamelombelona
         Mba iraho re, Andriamanitra ô, ‘lay Zanakao mpamonjy anay.
                Mba jereo, ry Tompo, ny fahorianay,
                Ka iraho hatrany ilay halefanao,
                Ny Mesia Zanakondry sady Tomponay,
                Izy no hamaha ireto fatotray.





sábado, 3 de setembro de 2016

FITSOFANDRANO MPIANATRA SY MPAMPIANATRA ARY MPAMPIBE (SEKOLY)

Fitsofandrano Mpianatra sy Mpampianatra ary Mpampibe(sekoly)

Nalaina tamin’ny Fitsofandrano sekoly vaovao… - Boky fitsofandrano, tk 51-56

Azo atao amin’ny fanombohana ny taom-pianarana. Pretra na Diakra no mitarika. Raha atao mandritra ny Fankalazana ny Eokaristia, dia ny Vavaka sy ny Vakinteny atoron’ny Eglizy ihany no atao raha alahady na andro voadidy hohamasinina. Raha tsy alahady ny andro ary raha tsy misy fankalazana ny olomasina manokana kosa, dia azo fidîna ny Sorona fanajana ny Fanahy Masina (Boky Sorona Masina andavanandro, tk 2017 [2003]. Aorian’ny Evanjely dia hazavain’ny Mpitarika ny Soratra Masina sy ny hevitry ny Fankalazana. Dia atao ny Ranombavaka, raha misy, sy ny Vavaka Fitsofandrano.

Tenin'ny Mpitarika alohan’ny vavaka fitsofandrano (amboarina arakaraka ny taonan’ny mpianatra:
           Andriamanitra Tompon’ny fahaizana, dia mitarika antsika amin’ny fomba maro hahalala Azy lalindalina kokoa ; fa ny Zanany tonga nofo ho antsika no nameno ny fahalalantsika Azy. Ary anjaran’ny sain’ny olombelona kosa ny mikaro-dalana amin’ny taranjam-pianarana sy ny karazam-pianarana rehetra…
           Angatahontsika Izy Tompo àry ho an’ireo hampibe ny ankizy sy ny tanora mba hampianatra ny fahendren’olombelona amin’ny fo mahitsy, miaraka amin’ny fahamarinana atoron’ny Evanjely. Ary mba ho hitan’ny mpianatra ao amin’ireo mpampianatra azy i Kristy Mpampianatra, hitomboany fahaizana sy fahalalana, na momba ny olombelona, na momba an’Andriamanitra…

Vavaka fitsofandrano ny Mpampianatra sy ny Mpampibe (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
            Ry Tompo Andriamanitra Rainay ô,
            mba henoy ny fangatahanay zanakao mitalaho aminao manao hoe:
            mba tsofirano ireto mpampianatra sy mpampibe ireto,
            noho ny fahavononana asehony hampibe ny zanakay,
            ary omeo azy ireo ny fahasoavanao mitafotafo
            hahafahany hanao amin-kerim-po
            izany asa fibeazana ny vahoakanao izany
            ho vavolombelon’i Kristy Zanakao
            sy ho mpanompon’ny fampihavanana.
            Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao
            ao amin’ny Fanahy Masina mandrakizay mandrakizay. Amen.

Vavaka fitsofandrano ny Mpianatra (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
            Ary amin’izao, ry Ray,
            dia mba todiho maso miantra ireto zanakao, ankizy sy tanora,
            izay hobeazina araka ny maha olona
            sy hampianarina fahaizana haisoratra.
            Enga anie homban’ny tsodranonao miavosa izy ireo
            hahafahany hikatsaka ny marina mandrakariva
            ary hahalala Anao, hany loharanon’ny Fahamarinana.
            Amin’ny alalan’i Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay izany.
Daholo: Amen.

Vavaka fitsofandrano iombonana (atsotra ny tanana)
            Andriamanitra Tompon’ny fahaizana anie
            hanoro antsika ny lalany ;
            I Kristy Fahendrena mandrakizay anie
            hampianatra antsika ny teny Fahamarinana ;
            ny Fanahy Masina Fahazavana mahasambatra anie
            hanazava ny saintsika mandrakariva,
            mba hianarantsika ny marina sy ny tsara
            ary hanatanterahantsika izay nianarantsika. V/ Amen. 

Fankalazana ny Eokaristia

Raha misy ny Fankalazana ny Eokaristia dia atao amin’izao ny fitondrana ny fanatitra; tsara raha ankinina amin’ny solontenan’ny mpianatra, mpampianatra, mpampibe ary ray aman-dreny  ny fitondrana azy :
Zavatra omanina:
Þ Ny Mofo sy ny Divay ary ny Rano anaovan-tSorona (tsy entina ny Kalisy)
Þ Kahié sy sitilô
Þ Boky (ohatra Rakibolana, na ireo boky fianarana isaky ny taranja...
Þ Sarintany na Bolantany
Þ Tsaoka, Tsipika, Rapaortera, Ekera...
Þ Jiro tsy mbola mirehitra
Þ Kilalaon-jaza “maternelle”

Mpanentana (alohan’ny fitondrana ny fanatitra): Miaraka amin’ny Mofo sy ny Divay ary ny Rano izay hankalazantsika ny Eokaristia dia entina amin’izao koa ireo fitaovana hampiasaintsika andavanandro any an-tsekoly. Ny fiainantsika manontolo àry no hatolotsika an’Andriamanitra mba ho iray ihany amin’ny fiainan’i Jesoa.
Entina avy ery afara ireo fanatitra ireo mandritra ny fihirana ny hoe:
Atolotro anao, Andriamanitra ô, / atolotro ny tenako rehetra
Omeko anao ho varo-tsy mifody / Ry Tompo ô, raiso re raha sitrakao
                Mba raiso na tsy mendrika aza mba ho anao mandrakizay.
Izaho anefa olona mpanota / ny sitrako malemy sady osa
kanefa re matoky ny Fonao / Ry Tompo ô, ianao no heriko. / Mba raiso...      

Rahefa tonga eo akaikin'ny Otely ireo olona teo dia samy miatrika ny mpiangona; hotandremana anefa mba tsy ho takona na ny Otely na ny Mpitarika. Mandroso kely ny tsirairay arakaraka ny fanazavana atao:
Kahiê sy sitilô
Mpamaky teny (mpianatra): Indro ireo fitaovana ampiasain’ny mpianatra isan’andro mba ho olom-banona ho an’ny Eglizy sy ny Firenena. Ndeha àry atolotsika ny Tompo ny ezaka hikaroka ny rariny sy ny hitsiny :
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo; mandritra izany dia averina ny fiverenana:
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Boky isan-karazany
Mpamaky teny (mpampibe): Ao anatin’ireto boky ireto no ahitantsika ny fahaizana hozaraina amin’ity taom-pianarana vaovao ity ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hitady ny soa iombonana :
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Sarintany na Bolantany
Mpamaky teny (mpampianatra): Ity sarintany (bolantany) ity dia aoka hanambara ny fiombonantsika amin’ireo rehetra mijaly sy tsy ampy fivelomana sy fianarana eran’izao tontolo izao ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hihavana sy hampihavana :
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Tsaoka, Tsipika, Rapaortera, Ekera...
Mpamaky teny (mpianatra) : Manambara ny fikarohana takina amintsika ireto fitaovana ireto; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hikaroka ny fivoaran’ny zanak’olombelona:
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Jiro tsy mbola mirehitra
Mpamaky teny (relijiozy, raha misy) Manambara finoana an’i Kristy velona ny jiro mirehitra ; koa ndeha arehitra ao am-pontsika ny finoana an’i Jesoa ilay Mpampianatra ny soa rehetra
Arehitra ao amin’ny jiron’ny Ôtely iny jiro kely iny ary apetraka eo ambony Ôtely…
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Kilalaon-jaza “maternelle”
Mpamaky teny (ray aman-dreny): Na ny kilalaon-jaza aza dia manjary fitaovana enti-mampibe sy mikolokolo ny maha-olona; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hanaja ny zo maha-olombelona eran-tany.
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Mofo, Divay, Rano anaovan-tSorona
Mpamaky teny (mpiservy) : Ireto no tolotra lehibe indrindra satria hanjary Vatana aman-dRan’i Jesoa Kristy Mpamonjy an’izao tontolo izao ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hiombona tanteraka amin’Izy Tompo mba samy hiray fo, hiray saina, hiray asa aminy isika mianakavy.
Homena ny pretra ireo ary homanina ny Sorona…
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Dia atao koa ny andininy fahatelo :
Mba sambatra aho, fa manompo anao, / ny heriko atokako ho anao.
Hatramin'izay fara fofon'aiko, / Ry Tompo ô, tsy hivadika aminao.

Tsodrano famaranana ny Fankalazana

Mpitarika: Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.
V/ Ho tanteraka tokoa anie izany.
manatsotra tanana roa ny Mpitarika
* Enga anie Andriamanitra Tompon’ny fahaizana hankahery anatsika amin’ny tsodranony. V/ Amen.
* Enga anie i Kristy hany Mpampianatra hampianatra antsika ny Teny fiainana mandrakizay. V/ Amen.
* Enga ny Fanahy Masina Mpankahery hitarika antsika ho tonga eo amin’ny marina manontolo. V/  Amen.
* Enga anie hirotsaka amintsika ary homba antsika  mandrakariva ny tsodranon’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra : ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. V/ Amen.

Mandehana amim-piadanana ka anomezo voninahitra ny Tompo ny fiainana manontolo.
     V/ Hisaorana anie Andriamanitra.

FITSOFANDRANO IREO HOMENA ANDRAIKITRA HAMPIANATRA KATESIZY

Fitsofandrano ireo homena andraikitra hampianatra katesizy

Jereo Boky fitsofandrano, tk 34-36Jereo koa Fotoampivavahana anombohana ny taom-pianarana Katesizy

Pretra na Diakra no mitarika. Raha atao mandritra ny Fankalazana ny Eokaristia, dia ny Vavaka sy ny Vakinteny atoron’ny Fiangonana ihany no atao raha alahady na andro voadidy hohamasinina. Raha tsy alahady ny andro ary raha tsy misy fankalazana ny olomasina manokana kosa, dia azo fidîna ny Sorona ho an’ny kristianina tsotra (Sorona Masina andavanandro, tk 1910 [1902]. Aorian’ny Evanjely dia hazavain’ny Mpitarika ny Soratra Masina sy ny hevitry ny Fankalazana. Dia atao ny Ranombavaka, raha misy, sy ny Vavaka Fitsofandrano.

Tenin’ny Mpitarika alohan’ny vavaka fitsofandrano (amboarina arakaraka ny taonan’ny mpianatra):
     Asa vadi-drano tsy vita tsy ifanakonana ny fitondran’ny Fiangonana ny Vahoakan’Andriamanitra, mba ho matotra ara-pinoana ny Eglizy manontolo sy ny kristianina tsirairay, ary samy hankalaza ny finoany sy ho vavolombelon’ny finoany eo amin’ny fiainany.
          Koa antsoina hiara-miasa amin’izany ireo mahafoy tena hampianatra Katesizy, ka manoro ny firosoana ho kristianina, ary koa mizara ny fahalalany sy ny foto-pinoana, amin’ireo efa nohazavain’ny Tenin’Andriamanitra, sy ny fampianaran’ny Eglizy, ka efa nianatra ny tokony ho fantatra sy ny tokony hankalazaina.
           Koa aoka isika hisaotra ny Tompo noho ireto mpiara-miasa amintsika ireto, ary hangataka mba hirotsaka miavosa aminy ny fahasoavan’ny Fanahy Masina ilainy, hanatontosany ny fanompoany eto amin’ny Fiangonana misy antsika.

Vavaka Fitsofandrano (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
            Enga anie, ry Tompo,
            ireto mpanomponao, haniry hahafoy tena hampianatra katesizy,
            mba ho sitrakao hohamafisina amin’ny fikasany,
            amin’ny tsodranonao Andriamanitra Ray ;
            ka izay hianarany eo am-pandinihana ny Teninao,
            sy eo am-panatanterahana ny fampianaran’ny Fiangonanao anie,
            mba hiezahany hampianarina ny olona,
            ka hiarahany amin’ireo harisika sy haharitra manompo anao.
            Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Tsodrano famaranana ny Fankalazana
            Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.
            Ho tanteraka tokoa anie izany.
Manatsotra tanana roa ny Mpitarika:
* Enga anie Andriamanitra, nampiseho ny fahamarinany sy ny fitiavany tao amin’i Kristy, mba hanampy antsika ho vavolombelon’ny Evanjely sy ny fitiavany, eo amin’izao tontolo izao. V/ Amen.
* Enga anie i Jesoa Kristy, nampanantena fa ho eo amin’ny Egliziny mandra-pahatapitry ny taona rehetra, mba hanamafy ny asantsika sy ny tenintsika. V/ Amen.
* Enga anie ny Fanahin’ny Tompo ho ao aminsika, mba hahafahansika manampy an’ireo mpitory ny Teniny. V/ Amen.
* Ary isika rehetra manatrika etoana, hitso-drano ansika anie Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. V/ Amen.

Mandehana mitory ny Evanjelin’ny Tompo.
V/ Hisaorana anie Andriamanitra

FOTOAMPIVAVAHANA ANOMBOHANA NY TAOM-PIANARANA KATESIZY


Fotoampivavahana anombohana ny taom-pianarana Katesizy
Ity fotoampivavahana ity dia noheverina hotarihin’ny mpampianatra katesizy ihany; ary azo tanterahina amin’ireo toerana rehetra tsy misy pretra.
Tokony ho tonga daholo ny mpampianatra katesizy izay hiara-mipetraka amin’ny ankizy ampianariny.
Tsara ihany koa raha tonga daholo ireo ray aman-dreny rehetra.
Tsy hiakarana ny faritry ny Ôtely afa-tsy amin’ny fotoana voalaza etsy ambany.
Zavatra homanina :
Þ Jiron’ny Paka. Raha tsy misy ny Jiron’ny Paka, ohatra amin’ireo fiangonana madinika tsy nanaovana ny fiaretan-tory fankalazana ny Paka, dia ny jiron’ny Ôtely no ampiasaina.
Þ Baiboly (entina dia apetraka eo amin’ny Famakian-teny)
Þ Boky katesizy ampiasaina eo an-toerana – asiana toerana talaky maso ametrahana azy eo amin’izay mampety azy.
Alohan’ny fanombohana dia atao eo amin’ny toerana talaky maso izay hahitan’ny rehetra azy tsara ny Jiron’ny Paka tsy mbola mirehitra (eo anilan’ny Famakian-teny na eo anoloan’ny Ôtely, ohatra). Raha tsy misy ny Jiron’ny Paka dia ny jiron’ny Ôtely ihany no ampiasaina.
Ampidirana moramora ao am-piangonana ny rehetra ; tsy misy hira fidirana fa asiana feon-kira malefaka (K7 na CD).
Rahefa samy nandray toerana ny rehetra dia ajanona tsikelikely ny feon-kira :
Mpanentana (tahatahaka izao): Inona no nahatongavantsika eto androany, rankizy ? (avela hamaly izy ireo ...) Izany tokoa, tonga eto isika mba hanomboka ny fianarana katesizy amin’ity taona ity. Misy ny efa teto tamin’ny herintaona fa misy koa ireo vao manomboka ny fandalinam-pinoana. Atsangano tanana àry ianareo vao tonga… Tonga soa àry ianareo e… Faly àry isika rehetra ka ho marik’izany hafaliana izany dia ndeha isika hanao ny hira hoe Tompo ô ‘zany hafaliako…
Tompo ô ‘zany hafaliako, zanakao natsanganao e.
I Kristy no ato amiko, velona aho fa velona Izy.
I Kristy no masoandrobe  hazavana avy aminao, ry Ray,
Izahay no toy ny tarany hanazava izao tontolo izao.
Mpanentana : I Jesoa dia nilaza nanao hoe « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka ahy dia tsy mandeha amin’ny haizina… ». Izany indrindra no ampirehetana amin’izao io jiro lehibe atao hoe Jiron’ny Paka io ilazana fa eto afovoantsika i Jesoa satria hoy izy nanao hoe « Na aiza na aiza iangonan’olona roa na telo amin’ny Anarako dia eo afovoany Aho… »
Raha tsy misy ny Jiron’ny Paka :
I Jesoa dia nilaza nanao hoe « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka ahy dia tsy mandeha amin’ny haizina… ». Izany indrindra no ampirehetana amin’izao ny jiron’ny Ôtely, ilazana fa eto afovoantsika i Jesoa satria hoy izy nanao hoe « Na aiza na aiza iangonan’olona roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoany Aho… ».
Arehitra amin’ny fomba manetriketrika ny Jiron’ny Paka (na ny jiron’ny Ôtely).
Rehefa vita dia ataon’ny rehetra ny fiverenana hoe :
Kristy velona, Kristy Zanaka no arahintsika fa Mpamonjy antsika :
Izy no fiainana, Izy no fiainana.
Mpanentana : miara-mitsangana isika amin’izao mba hivavaka.
Ianao, ry Tompo Rainay no niantso anay hiangona eto ; Ianao koa no nametraka ato am-ponay ny faniriana hianatra ny Katesizin’ny Eglizy Reninay. Koa ampio izahay handalina ny finoanay, hahafahanay hahalala anao bebe kokoa ka hazoto hitady anao sy hanara-dia an’i Jesoa Zanakao sy Zokinay, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina mandrakizay mandrakizay.
Daholo : Amen.
Mpanentana : (tahatahaka izao): Amin’izao rankizy dia ho raisintsika amin’ny fomba manetriketrika ny Baiboly Masina izay ahitantsika ny Tenin’Andriamanitra ianarantsika isaky ny ivoriantsika eto. Koa miara-mitodika any aoriana any isika ka arahintsika ny fitondrana azy. Dia velarantsika ihany koa ny tanana roa ho fandraisana azy.
Entin’ny mpampianatra katesizy iray ny Baiboly avy ery afara. Mikombona sy ambonibony ihany no itondrana azy ary tsy mandihy mihitsy ny mpitondra. Mamela-tanana ny rehetra ary mitodika amin’ny mpitondra. Asiana hira :
Ny Teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko / Ny Lalanao, lalako, no sitrako…
Ny fiverenana ihany no atao ary averimberina mandra-pahatongan’ny Baiboly eo amin’ny Famakian-teny.
Mpanentana (tahatahaka izao): Hipetraka isika. Ndeha isika izao hihaino ny hafatr’Andriamanitra ho antsika :
Ilay nitondra ny Baiboly no hamaky teny. Velariny ny Baiboly ao amin’ny Kol 3,12-17; tsy lazainy ny toko sy andininy. Vakîna miadana sady mazava tsara ny teny rehetra ary tsara raha asiana fiatoana kely anelanelan’ny fehezan-teny tsirairay.
Mpamaky teny : Taratasy nosoratan’i masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy :
Ry havana, olom-boafidin’Andriamanitra ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray ; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo ; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Izany àry ny Tenin’ny Tompo
Daholo :  Hisaorana anie Andriamanitra.
Azo asiana fifanakalozana momba ny Tenin’Andriamanitra vao novakîna teo, izay andraisan’ny ankizy anjara ; tsy atao lava loatra ny fotoana ; ary azo faranana tahatahaka izao :
Mpanentana (tahatahaka izao) Isan’andro isika dia mianatra any an-dakilasy, manampy ny ray aman-dreny any an-tokantrano, miara-mikorana sy milalao amin’ny namana… Koa entanina isika izao hanao an’ ireo rehetra ireo amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika. Ary ny fianarana katesizy izay hataontsika isan-kerinandro dia mba hanampy antsika handalina ny finoantsika sy hahatonga antsika ho olom-banona ho an’ny Eglizy sy ny fiaraha-monina. Raha mazoto isika dia hivoatra sy hivelatra tsikelikely ara-tsaina fa indrindra ara-panahy.
Ary amin’izao isika dia haneho am-pahibemaso fa vonona hihaino ny fampianaran’ny Tompo. Ka haseho amintsika ilay boky katesizy izay hampiasaintsika mandritra ity taom-pianarana katesizy ity.
Aseho amin’ny rehetra ny boky katesizy ampiasaina eo an-toerana izay hapetraka eo akaikin’ ny Famakian-teny na eo akaikin’ny Jiron’ny Paka… Azo asiana hira ohatra :
Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,
N’aiza n’aiza hitondranao ahy
Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,
Fa ianao no miantso ahy.
                Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
                Tsy manana olon-kafa aho, fa ianao no fiainako.
                Hanara-dia anao: ‘zay no faniriako,
                Hifikitra aminao aho, Jesoa.
Mpanentana : Mba hihainoantsika tsara ny fampianarana rehetra sy hanarahantsika dia an’i Jesoa mandritra ity taom-pianarana vaovao ity, dia ndeha isika hangataka amin’Andriamanitra Ray ny herin’ny Fanahy Masina fa Izy no hampianatra antsika ny zavatra rehetra sy hanatsara ny fiainantsika. Miara-mitsangana àry isika rehetra.
Fiv : Ekeo ny vavakay, ry Tompo ô, ekeo, ekeo ny vavakay. (na hafa)
Ankizy 1: Aoka hivavaka isika mianakavy ho an’ny Fiangonana manontolo : ny Papa Ray Masina, ny eveka sy ny pretra ary ny diakra rehetra mba samy hoampian’Andriamanitra anie izy ireo mba hampianatra antsika ny hafatry ny Tompo. / Fiv : Ekeo ny vavakay…
Ankizy 2: Aoka isika hivavaka ho an’ny mpampibe sy ny ray aman-drenintsika tsirairay, mba samy hazoto hizara amintsika ny soa avy amin’i Jesoa sy hazoto hanoro antsika ny lalana mankany amin’ny fahasambarana mandrakizay. / Fiv : Ekeo ny vavakay…
Ray aman-dreny : Aoka isika hivavaka ho an’ny ankizy rehetra eran-tany, ka hazoto hitady an’i Kristy sy hanara-dia Azy. Ary aoka hivavaka koa isika ho an’ny mpampibe rehetra mba samy hahatanteraka amin-kafaliana ny asa ampanaovin’ny Eglizy azy hampianatra ny ankizy sy ny tanora. / Fiv : Ekeo ny vavakay …
Mpampianatra katesizy : Aoka isika hivavaka ho an’ny ray aman-dreny rehetra mba samy hahay hanome ohatra velona ny zanany satria izy ireo no mpampibe voalohany indrindra. / Fiv : Ekeo ny vavakay …
Mpanentana : Ary ho mariky ny maha mpiray tampo antsika dia sady hifandray tanana isika no hiantso ny Raintsika iombonana manao hoe :
Daholo (mifandray tanana ) RAINAY ANY AN-DANITRA…(aleo tononina ihany)
Mpanentana : Ry Ray tsara fo ô, mba henoy ny vavakay amin’izao fanombohana ny taom-pianarana katesizy vaovao. Fenoy ny fahasoavanao ireto zanakao manatrika etoana ireto ary omeo azy ireo ny herim-po sy finiavana ilainy hianatra katesizy sy hifanampy hikaroka ny soa. Amin’ny alalan’i Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay izany.
Daholo : Amen.
Mpanentana : Ary mbola mitodika amin’i Masina Maria isika izao fa izy Reny no nampianatra an’i Jesoa fony izy mbola zazakely, sady mpianany voalohany indrindra nihaino ny Tenin’ny Tompo sy nanatanteraka azy.
Daholo (mitodika amin’ny sarin’i Masina Maria): ARAHABA, RY MARIA…
Mpanentana : (filazana fohy raha misy. Dia faranana ny fotoampivavahana )
            Fo Masin’i Jesoa… Fo madion’i Maria… Md Jozefa…
            (Md/Mb… mpiaro)
            Ry Fo Masin’i Jesoa, matoky anao izahay…
            Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen.
Dia samy mody amin-kafaliana ny rehetra. Azo atao koa ny mifampitantana rehefa mody. Mandritra ny odiana dia azo asiana hira ohatra :
‘Ndao mba hiaraka aminay, hiaraka hitady an’i Jesoa… / Hafaliana e !...