Fitsofandrano
Mpianatra sy Mpampianatra ary Mpampibe(sekoly)
Nalaina tamin’ny Fitsofandrano sekoly
vaovao… - Boky fitsofandrano, tk 51-56
Azo atao amin’ny fanombohana ny taom-pianarana. Pretra na Diakra no
mitarika. Raha atao mandritra ny Fankalazana ny Eokaristia, dia ny Vavaka sy ny
Vakinteny atoron’ny Eglizy ihany no atao raha alahady na andro voadidy
hohamasinina. Raha tsy alahady ny andro ary raha tsy misy fankalazana ny
olomasina manokana kosa, dia azo fidîna ny Sorona fanajana ny Fanahy Masina
(Boky Sorona Masina andavanandro, tk 2017 [2003]. Aorian’ny Evanjely dia
hazavain’ny Mpitarika ny Soratra Masina sy ny hevitry ny Fankalazana. Dia atao
ny Ranombavaka, raha misy, sy ny Vavaka Fitsofandrano.
Tenin'ny Mpitarika alohan’ny
vavaka fitsofandrano (amboarina arakaraka ny
taonan’ny mpianatra:
Andriamanitra
Tompon’ny fahaizana, dia mitarika antsika amin’ny fomba maro hahalala Azy
lalindalina kokoa ; fa ny Zanany tonga nofo ho antsika no nameno ny
fahalalantsika Azy. Ary anjaran’ny sain’ny olombelona kosa ny mikaro-dalana
amin’ny taranjam-pianarana sy ny karazam-pianarana rehetra…
Angatahontsika
Izy Tompo àry ho an’ireo hampibe ny ankizy sy ny tanora mba hampianatra ny
fahendren’olombelona amin’ny fo mahitsy, miaraka amin’ny fahamarinana atoron’ny
Evanjely. Ary mba ho hitan’ny mpianatra ao amin’ireo mpampianatra azy i Kristy
Mpampianatra, hitomboany fahaizana sy fahalalana, na momba ny olombelona, na
momba an’Andriamanitra…
Vavaka fitsofandrano ny Mpampianatra
sy ny Mpampibe (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
Ry
Tompo Andriamanitra Rainay ô,
mba
henoy ny fangatahanay zanakao mitalaho aminao manao hoe:
mba
tsofirano ireto mpampianatra sy mpampibe ireto,
noho
ny fahavononana asehony hampibe ny zanakay,
ary
omeo azy ireo ny fahasoavanao mitafotafo
hahafahany
hanao amin-kerim-po
izany
asa fibeazana ny vahoakanao izany
ho
vavolombelon’i Kristy Zanakao
sy
ho mpanompon’ny fampihavanana.
Fa
Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao
ao
amin’ny Fanahy Masina mandrakizay mandrakizay. Amen.
Vavaka fitsofandrano ny Mpianatra (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
Ary
amin’izao, ry Ray,
dia
mba todiho maso miantra ireto zanakao, ankizy sy tanora,
izay
hobeazina araka ny maha olona
sy
hampianarina fahaizana haisoratra.
Enga
anie homban’ny tsodranonao miavosa izy ireo
hahafahany
hikatsaka ny marina mandrakariva
ary
hahalala Anao, hany loharanon’ny Fahamarinana.
Amin’ny
alalan’i Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay izany.
Daholo: Amen.
Vavaka fitsofandrano iombonana (atsotra ny tanana)
Andriamanitra
Tompon’ny fahaizana anie
hanoro
antsika ny lalany ;
I
Kristy Fahendrena mandrakizay anie
hampianatra
antsika ny teny Fahamarinana ;
ny
Fanahy Masina Fahazavana mahasambatra anie
hanazava
ny saintsika mandrakariva,
mba
hianarantsika ny marina sy ny tsara
ary
hanatanterahantsika izay nianarantsika. V/ Amen.
Fankalazana ny Eokaristia
Raha misy ny Fankalazana ny Eokaristia dia atao amin’izao ny fitondrana
ny fanatitra; tsara raha ankinina amin’ny solontenan’ny mpianatra,
mpampianatra, mpampibe ary ray aman-dreny
ny fitondrana azy :
Zavatra omanina:
Þ Ny Mofo sy
ny Divay ary ny Rano anaovan-tSorona (tsy
entina ny Kalisy)
Þ Kahié sy
sitilô
Þ Boky
(ohatra Rakibolana, na ireo boky fianarana isaky ny taranja...
Þ Sarintany
na Bolantany
Þ Tsaoka,
Tsipika, Rapaortera, Ekera...
Þ Jiro tsy
mbola mirehitra
Þ Kilalaon-jaza “maternelle”
Mpanentana (alohan’ny fitondrana ny fanatitra): Miaraka
amin’ny Mofo sy ny Divay ary ny Rano izay hankalazantsika ny Eokaristia dia
entina amin’izao koa ireo fitaovana hampiasaintsika andavanandro any
an-tsekoly. Ny fiainantsika manontolo àry no hatolotsika an’Andriamanitra mba
ho iray ihany amin’ny fiainan’i Jesoa.
Entina avy ery afara ireo
fanatitra ireo mandritra ny fihirana ny hoe:
Atolotro anao, Andriamanitra ô, / atolotro ny tenako rehetra
Omeko anao ho varo-tsy mifody / Ry Tompo ô, raiso re raha
sitrakao
Mba
raiso na tsy mendrika aza mba ho anao mandrakizay.
Izaho anefa olona mpanota / ny sitrako malemy sady osa
kanefa re matoky ny Fonao / Ry Tompo ô, ianao no heriko.
/ Mba raiso...
Rahefa tonga eo akaikin'ny Otely ireo olona teo dia samy miatrika ny
mpiangona; hotandremana anefa mba tsy ho takona na ny Otely na ny Mpitarika.
Mandroso kely ny tsirairay arakaraka ny fanazavana atao:
Kahiê sy sitilô
Mpamaky teny (mpianatra):
Indro ireo fitaovana ampiasain’ny mpianatra isan’andro mba ho olom-banona ho
an’ny Eglizy sy ny Firenena. Ndeha àry atolotsika ny Tompo ny ezaka
hikaroka ny rariny sy ny hitsiny :
Apetrany eo amin'ny toerana
efa voaomana ireo; mandritra izany dia averina ny fiverenana:
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao
mandrakizay.
Boky isan-karazany
Mpamaky teny (mpampibe): Ao
anatin’ireto boky ireto no ahitantsika ny fahaizana hozaraina amin’ity
taom-pianarana vaovao ity ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hitady
ny soa iombonana :
Apetrany eo amin'ny toerana
efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy
mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Sarintany na Bolantany
Mpamaky teny (mpampianatra): Ity
sarintany (bolantany) ity dia aoka hanambara ny fiombonantsika amin’ireo
rehetra mijaly sy tsy ampy fivelomana sy fianarana eran’izao tontolo
izao ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hihavana sy
hampihavana :
Apetrany eo amin'ny toerana
efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao
mandrakizay.
Tsaoka, Tsipika, Rapaortera, Ekera...
Mpamaky teny
(mpianatra) : Manambara ny fikarohana takina amintsika ireto
fitaovana ireto; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hikaroka ny fivoaran’ny
zanak’olombelona:
Apetrany eo amin'ny toerana
efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy
mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Jiro tsy mbola mirehitra
Mpamaky teny
(relijiozy, raha misy) Manambara finoana an’i Kristy velona
ny jiro mirehitra ; koa ndeha arehitra ao am-pontsika ny finoana an’i
Jesoa ilay Mpampianatra ny soa rehetra
Arehitra ao amin’ny jiron’ny
Ôtely iny jiro kely iny ary apetraka eo ambony Ôtely…
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Kilalaon-jaza “maternelle”
Mpamaky teny
(ray aman-dreny): Na ny kilalaon-jaza aza dia manjary fitaovana
enti-mampibe sy mikolokolo ny maha-olona; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny
ezaka hanaja ny zo maha-olombelona eran-tany.
Apetrany eo amin'ny toerana
efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Mofo, Divay, Rano anaovan-tSorona
Mpamaky teny (mpiservy) : Ireto no tolotra
lehibe indrindra satria hanjary Vatana aman-dRan’i Jesoa Kristy Mpamonjy
an’izao tontolo izao ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hiombona
tanteraka amin’Izy Tompo mba samy hiray fo, hiray saina, hiray asa aminy isika
mianakavy.
Homena ny pretra ireo ary
homanina ny Sorona…
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Dia atao koa ny andininy fahatelo :
Mba sambatra aho, fa manompo anao, / ny heriko atokako ho
anao.
Hatramin'izay fara fofon'aiko, / Ry Tompo ô, tsy hivadika
aminao.
Tsodrano
famaranana ny Fankalazana
Mpitarika: Homba antsika
mianakavy anie ny Tompo.
V/ Ho tanteraka
tokoa anie izany.
manatsotra tanana roa ny
Mpitarika
* Enga anie Andriamanitra Tompon’ny
fahaizana hankahery anatsika amin’ny tsodranony. V/ Amen.
* Enga anie i Kristy hany Mpampianatra
hampianatra antsika ny Teny fiainana mandrakizay. V/ Amen.
* Enga ny Fanahy Masina Mpankahery
hitarika antsika ho tonga eo amin’ny marina manontolo. V/ Amen.
* Enga anie hirotsaka amintsika ary
homba antsika mandrakariva ny tsodranon’Andriamanitra
mahefa ny zavatra rehetra : ny Ray † sy ny Zanaka sy ny Fanahy
Masina. V/ Amen.
Mandehana amim-piadanana ka anomezo voninahitra ny
Tompo ny fiainana manontolo.
V/ Hisaorana
anie Andriamanitra.