sábado, 3 de setembro de 2016

FITSOFANDRANO MPIANATRA SY MPAMPIANATRA ARY MPAMPIBE (SEKOLY)

Fitsofandrano Mpianatra sy Mpampianatra ary Mpampibe(sekoly)

Nalaina tamin’ny Fitsofandrano sekoly vaovao… - Boky fitsofandrano, tk 51-56

Azo atao amin’ny fanombohana ny taom-pianarana. Pretra na Diakra no mitarika. Raha atao mandritra ny Fankalazana ny Eokaristia, dia ny Vavaka sy ny Vakinteny atoron’ny Eglizy ihany no atao raha alahady na andro voadidy hohamasinina. Raha tsy alahady ny andro ary raha tsy misy fankalazana ny olomasina manokana kosa, dia azo fidîna ny Sorona fanajana ny Fanahy Masina (Boky Sorona Masina andavanandro, tk 2017 [2003]. Aorian’ny Evanjely dia hazavain’ny Mpitarika ny Soratra Masina sy ny hevitry ny Fankalazana. Dia atao ny Ranombavaka, raha misy, sy ny Vavaka Fitsofandrano.

Tenin'ny Mpitarika alohan’ny vavaka fitsofandrano (amboarina arakaraka ny taonan’ny mpianatra:
           Andriamanitra Tompon’ny fahaizana, dia mitarika antsika amin’ny fomba maro hahalala Azy lalindalina kokoa ; fa ny Zanany tonga nofo ho antsika no nameno ny fahalalantsika Azy. Ary anjaran’ny sain’ny olombelona kosa ny mikaro-dalana amin’ny taranjam-pianarana sy ny karazam-pianarana rehetra…
           Angatahontsika Izy Tompo àry ho an’ireo hampibe ny ankizy sy ny tanora mba hampianatra ny fahendren’olombelona amin’ny fo mahitsy, miaraka amin’ny fahamarinana atoron’ny Evanjely. Ary mba ho hitan’ny mpianatra ao amin’ireo mpampianatra azy i Kristy Mpampianatra, hitomboany fahaizana sy fahalalana, na momba ny olombelona, na momba an’Andriamanitra…

Vavaka fitsofandrano ny Mpampianatra sy ny Mpampibe (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
            Ry Tompo Andriamanitra Rainay ô,
            mba henoy ny fangatahanay zanakao mitalaho aminao manao hoe:
            mba tsofirano ireto mpampianatra sy mpampibe ireto,
            noho ny fahavononana asehony hampibe ny zanakay,
            ary omeo azy ireo ny fahasoavanao mitafotafo
            hahafahany hanao amin-kerim-po
            izany asa fibeazana ny vahoakanao izany
            ho vavolombelon’i Kristy Zanakao
            sy ho mpanompon’ny fampihavanana.
            Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao
            ao amin’ny Fanahy Masina mandrakizay mandrakizay. Amen.

Vavaka fitsofandrano ny Mpianatra (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
            Ary amin’izao, ry Ray,
            dia mba todiho maso miantra ireto zanakao, ankizy sy tanora,
            izay hobeazina araka ny maha olona
            sy hampianarina fahaizana haisoratra.
            Enga anie homban’ny tsodranonao miavosa izy ireo
            hahafahany hikatsaka ny marina mandrakariva
            ary hahalala Anao, hany loharanon’ny Fahamarinana.
            Amin’ny alalan’i Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay izany.
Daholo: Amen.

Vavaka fitsofandrano iombonana (atsotra ny tanana)
            Andriamanitra Tompon’ny fahaizana anie
            hanoro antsika ny lalany ;
            I Kristy Fahendrena mandrakizay anie
            hampianatra antsika ny teny Fahamarinana ;
            ny Fanahy Masina Fahazavana mahasambatra anie
            hanazava ny saintsika mandrakariva,
            mba hianarantsika ny marina sy ny tsara
            ary hanatanterahantsika izay nianarantsika. V/ Amen. 

Fankalazana ny Eokaristia

Raha misy ny Fankalazana ny Eokaristia dia atao amin’izao ny fitondrana ny fanatitra; tsara raha ankinina amin’ny solontenan’ny mpianatra, mpampianatra, mpampibe ary ray aman-dreny  ny fitondrana azy :
Zavatra omanina:
Þ Ny Mofo sy ny Divay ary ny Rano anaovan-tSorona (tsy entina ny Kalisy)
Þ Kahié sy sitilô
Þ Boky (ohatra Rakibolana, na ireo boky fianarana isaky ny taranja...
Þ Sarintany na Bolantany
Þ Tsaoka, Tsipika, Rapaortera, Ekera...
Þ Jiro tsy mbola mirehitra
Þ Kilalaon-jaza “maternelle”

Mpanentana (alohan’ny fitondrana ny fanatitra): Miaraka amin’ny Mofo sy ny Divay ary ny Rano izay hankalazantsika ny Eokaristia dia entina amin’izao koa ireo fitaovana hampiasaintsika andavanandro any an-tsekoly. Ny fiainantsika manontolo àry no hatolotsika an’Andriamanitra mba ho iray ihany amin’ny fiainan’i Jesoa.
Entina avy ery afara ireo fanatitra ireo mandritra ny fihirana ny hoe:
Atolotro anao, Andriamanitra ô, / atolotro ny tenako rehetra
Omeko anao ho varo-tsy mifody / Ry Tompo ô, raiso re raha sitrakao
                Mba raiso na tsy mendrika aza mba ho anao mandrakizay.
Izaho anefa olona mpanota / ny sitrako malemy sady osa
kanefa re matoky ny Fonao / Ry Tompo ô, ianao no heriko. / Mba raiso...      

Rahefa tonga eo akaikin'ny Otely ireo olona teo dia samy miatrika ny mpiangona; hotandremana anefa mba tsy ho takona na ny Otely na ny Mpitarika. Mandroso kely ny tsirairay arakaraka ny fanazavana atao:
Kahiê sy sitilô
Mpamaky teny (mpianatra): Indro ireo fitaovana ampiasain’ny mpianatra isan’andro mba ho olom-banona ho an’ny Eglizy sy ny Firenena. Ndeha àry atolotsika ny Tompo ny ezaka hikaroka ny rariny sy ny hitsiny :
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo; mandritra izany dia averina ny fiverenana:
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Boky isan-karazany
Mpamaky teny (mpampibe): Ao anatin’ireto boky ireto no ahitantsika ny fahaizana hozaraina amin’ity taom-pianarana vaovao ity ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hitady ny soa iombonana :
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Sarintany na Bolantany
Mpamaky teny (mpampianatra): Ity sarintany (bolantany) ity dia aoka hanambara ny fiombonantsika amin’ireo rehetra mijaly sy tsy ampy fivelomana sy fianarana eran’izao tontolo izao ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hihavana sy hampihavana :
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Tsaoka, Tsipika, Rapaortera, Ekera...
Mpamaky teny (mpianatra) : Manambara ny fikarohana takina amintsika ireto fitaovana ireto; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hikaroka ny fivoaran’ny zanak’olombelona:
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Jiro tsy mbola mirehitra
Mpamaky teny (relijiozy, raha misy) Manambara finoana an’i Kristy velona ny jiro mirehitra ; koa ndeha arehitra ao am-pontsika ny finoana an’i Jesoa ilay Mpampianatra ny soa rehetra
Arehitra ao amin’ny jiron’ny Ôtely iny jiro kely iny ary apetraka eo ambony Ôtely…
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Kilalaon-jaza “maternelle”
Mpamaky teny (ray aman-dreny): Na ny kilalaon-jaza aza dia manjary fitaovana enti-mampibe sy mikolokolo ny maha-olona; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hanaja ny zo maha-olombelona eran-tany.
Apetrany eo amin'ny toerana efa voaomana ireo …
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Mofo, Divay, Rano anaovan-tSorona
Mpamaky teny (mpiservy) : Ireto no tolotra lehibe indrindra satria hanjary Vatana aman-dRan’i Jesoa Kristy Mpamonjy an’izao tontolo izao ; koa ndeha atolotsika ny Tompo ny ezaka hiombona tanteraka amin’Izy Tompo mba samy hiray fo, hiray saina, hiray asa aminy isika mianakavy.
Homena ny pretra ireo ary homanina ny Sorona…
Daholo: Mba raiso na tsy mendrika aza, mba ho anao mandrakizay.
Dia atao koa ny andininy fahatelo :
Mba sambatra aho, fa manompo anao, / ny heriko atokako ho anao.
Hatramin'izay fara fofon'aiko, / Ry Tompo ô, tsy hivadika aminao.

Tsodrano famaranana ny Fankalazana

Mpitarika: Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.
V/ Ho tanteraka tokoa anie izany.
manatsotra tanana roa ny Mpitarika
* Enga anie Andriamanitra Tompon’ny fahaizana hankahery anatsika amin’ny tsodranony. V/ Amen.
* Enga anie i Kristy hany Mpampianatra hampianatra antsika ny Teny fiainana mandrakizay. V/ Amen.
* Enga ny Fanahy Masina Mpankahery hitarika antsika ho tonga eo amin’ny marina manontolo. V/  Amen.
* Enga anie hirotsaka amintsika ary homba antsika  mandrakariva ny tsodranon’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra : ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. V/ Amen.

Mandehana amim-piadanana ka anomezo voninahitra ny Tompo ny fiainana manontolo.
     V/ Hisaorana anie Andriamanitra.

FITSOFANDRANO IREO HOMENA ANDRAIKITRA HAMPIANATRA KATESIZY

Fitsofandrano ireo homena andraikitra hampianatra katesizy

Jereo Boky fitsofandrano, tk 34-36Jereo koa Fotoampivavahana anombohana ny taom-pianarana Katesizy

Pretra na Diakra no mitarika. Raha atao mandritra ny Fankalazana ny Eokaristia, dia ny Vavaka sy ny Vakinteny atoron’ny Fiangonana ihany no atao raha alahady na andro voadidy hohamasinina. Raha tsy alahady ny andro ary raha tsy misy fankalazana ny olomasina manokana kosa, dia azo fidîna ny Sorona ho an’ny kristianina tsotra (Sorona Masina andavanandro, tk 1910 [1902]. Aorian’ny Evanjely dia hazavain’ny Mpitarika ny Soratra Masina sy ny hevitry ny Fankalazana. Dia atao ny Ranombavaka, raha misy, sy ny Vavaka Fitsofandrano.

Tenin’ny Mpitarika alohan’ny vavaka fitsofandrano (amboarina arakaraka ny taonan’ny mpianatra):
     Asa vadi-drano tsy vita tsy ifanakonana ny fitondran’ny Fiangonana ny Vahoakan’Andriamanitra, mba ho matotra ara-pinoana ny Eglizy manontolo sy ny kristianina tsirairay, ary samy hankalaza ny finoany sy ho vavolombelon’ny finoany eo amin’ny fiainany.
          Koa antsoina hiara-miasa amin’izany ireo mahafoy tena hampianatra Katesizy, ka manoro ny firosoana ho kristianina, ary koa mizara ny fahalalany sy ny foto-pinoana, amin’ireo efa nohazavain’ny Tenin’Andriamanitra, sy ny fampianaran’ny Eglizy, ka efa nianatra ny tokony ho fantatra sy ny tokony hankalazaina.
           Koa aoka isika hisaotra ny Tompo noho ireto mpiara-miasa amintsika ireto, ary hangataka mba hirotsaka miavosa aminy ny fahasoavan’ny Fanahy Masina ilainy, hanatontosany ny fanompoany eto amin’ny Fiangonana misy antsika.

Vavaka Fitsofandrano (mamelatra tanan-droa ny Mpitarika):
            Enga anie, ry Tompo,
            ireto mpanomponao, haniry hahafoy tena hampianatra katesizy,
            mba ho sitrakao hohamafisina amin’ny fikasany,
            amin’ny tsodranonao Andriamanitra Ray ;
            ka izay hianarany eo am-pandinihana ny Teninao,
            sy eo am-panatanterahana ny fampianaran’ny Fiangonanao anie,
            mba hiezahany hampianarina ny olona,
            ka hiarahany amin’ireo harisika sy haharitra manompo anao.
            Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Tsodrano famaranana ny Fankalazana
            Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.
            Ho tanteraka tokoa anie izany.
Manatsotra tanana roa ny Mpitarika:
* Enga anie Andriamanitra, nampiseho ny fahamarinany sy ny fitiavany tao amin’i Kristy, mba hanampy antsika ho vavolombelon’ny Evanjely sy ny fitiavany, eo amin’izao tontolo izao. V/ Amen.
* Enga anie i Jesoa Kristy, nampanantena fa ho eo amin’ny Egliziny mandra-pahatapitry ny taona rehetra, mba hanamafy ny asantsika sy ny tenintsika. V/ Amen.
* Enga anie ny Fanahin’ny Tompo ho ao aminsika, mba hahafahansika manampy an’ireo mpitory ny Teniny. V/ Amen.
* Ary isika rehetra manatrika etoana, hitso-drano ansika anie Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. V/ Amen.

Mandehana mitory ny Evanjelin’ny Tompo.
V/ Hisaorana anie Andriamanitra

FOTOAMPIVAVAHANA ANOMBOHANA NY TAOM-PIANARANA KATESIZY


Fotoampivavahana anombohana ny taom-pianarana Katesizy
Ity fotoampivavahana ity dia noheverina hotarihin’ny mpampianatra katesizy ihany; ary azo tanterahina amin’ireo toerana rehetra tsy misy pretra.
Tokony ho tonga daholo ny mpampianatra katesizy izay hiara-mipetraka amin’ny ankizy ampianariny.
Tsara ihany koa raha tonga daholo ireo ray aman-dreny rehetra.
Tsy hiakarana ny faritry ny Ôtely afa-tsy amin’ny fotoana voalaza etsy ambany.
Zavatra homanina :
Þ Jiron’ny Paka. Raha tsy misy ny Jiron’ny Paka, ohatra amin’ireo fiangonana madinika tsy nanaovana ny fiaretan-tory fankalazana ny Paka, dia ny jiron’ny Ôtely no ampiasaina.
Þ Baiboly (entina dia apetraka eo amin’ny Famakian-teny)
Þ Boky katesizy ampiasaina eo an-toerana – asiana toerana talaky maso ametrahana azy eo amin’izay mampety azy.
Alohan’ny fanombohana dia atao eo amin’ny toerana talaky maso izay hahitan’ny rehetra azy tsara ny Jiron’ny Paka tsy mbola mirehitra (eo anilan’ny Famakian-teny na eo anoloan’ny Ôtely, ohatra). Raha tsy misy ny Jiron’ny Paka dia ny jiron’ny Ôtely ihany no ampiasaina.
Ampidirana moramora ao am-piangonana ny rehetra ; tsy misy hira fidirana fa asiana feon-kira malefaka (K7 na CD).
Rahefa samy nandray toerana ny rehetra dia ajanona tsikelikely ny feon-kira :
Mpanentana (tahatahaka izao): Inona no nahatongavantsika eto androany, rankizy ? (avela hamaly izy ireo ...) Izany tokoa, tonga eto isika mba hanomboka ny fianarana katesizy amin’ity taona ity. Misy ny efa teto tamin’ny herintaona fa misy koa ireo vao manomboka ny fandalinam-pinoana. Atsangano tanana àry ianareo vao tonga… Tonga soa àry ianareo e… Faly àry isika rehetra ka ho marik’izany hafaliana izany dia ndeha isika hanao ny hira hoe Tompo ô ‘zany hafaliako…
Tompo ô ‘zany hafaliako, zanakao natsanganao e.
I Kristy no ato amiko, velona aho fa velona Izy.
I Kristy no masoandrobe  hazavana avy aminao, ry Ray,
Izahay no toy ny tarany hanazava izao tontolo izao.
Mpanentana : I Jesoa dia nilaza nanao hoe « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka ahy dia tsy mandeha amin’ny haizina… ». Izany indrindra no ampirehetana amin’izao io jiro lehibe atao hoe Jiron’ny Paka io ilazana fa eto afovoantsika i Jesoa satria hoy izy nanao hoe « Na aiza na aiza iangonan’olona roa na telo amin’ny Anarako dia eo afovoany Aho… »
Raha tsy misy ny Jiron’ny Paka :
I Jesoa dia nilaza nanao hoe « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka ahy dia tsy mandeha amin’ny haizina… ». Izany indrindra no ampirehetana amin’izao ny jiron’ny Ôtely, ilazana fa eto afovoantsika i Jesoa satria hoy izy nanao hoe « Na aiza na aiza iangonan’olona roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoany Aho… ».
Arehitra amin’ny fomba manetriketrika ny Jiron’ny Paka (na ny jiron’ny Ôtely).
Rehefa vita dia ataon’ny rehetra ny fiverenana hoe :
Kristy velona, Kristy Zanaka no arahintsika fa Mpamonjy antsika :
Izy no fiainana, Izy no fiainana.
Mpanentana : miara-mitsangana isika amin’izao mba hivavaka.
Ianao, ry Tompo Rainay no niantso anay hiangona eto ; Ianao koa no nametraka ato am-ponay ny faniriana hianatra ny Katesizin’ny Eglizy Reninay. Koa ampio izahay handalina ny finoanay, hahafahanay hahalala anao bebe kokoa ka hazoto hitady anao sy hanara-dia an’i Jesoa Zanakao sy Zokinay, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina mandrakizay mandrakizay.
Daholo : Amen.
Mpanentana : (tahatahaka izao): Amin’izao rankizy dia ho raisintsika amin’ny fomba manetriketrika ny Baiboly Masina izay ahitantsika ny Tenin’Andriamanitra ianarantsika isaky ny ivoriantsika eto. Koa miara-mitodika any aoriana any isika ka arahintsika ny fitondrana azy. Dia velarantsika ihany koa ny tanana roa ho fandraisana azy.
Entin’ny mpampianatra katesizy iray ny Baiboly avy ery afara. Mikombona sy ambonibony ihany no itondrana azy ary tsy mandihy mihitsy ny mpitondra. Mamela-tanana ny rehetra ary mitodika amin’ny mpitondra. Asiana hira :
Ny Teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko / Ny Lalanao, lalako, no sitrako…
Ny fiverenana ihany no atao ary averimberina mandra-pahatongan’ny Baiboly eo amin’ny Famakian-teny.
Mpanentana (tahatahaka izao): Hipetraka isika. Ndeha isika izao hihaino ny hafatr’Andriamanitra ho antsika :
Ilay nitondra ny Baiboly no hamaky teny. Velariny ny Baiboly ao amin’ny Kol 3,12-17; tsy lazainy ny toko sy andininy. Vakîna miadana sady mazava tsara ny teny rehetra ary tsara raha asiana fiatoana kely anelanelan’ny fehezan-teny tsirairay.
Mpamaky teny : Taratasy nosoratan’i masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy :
Ry havana, olom-boafidin’Andriamanitra ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray ; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo ; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Izany àry ny Tenin’ny Tompo
Daholo :  Hisaorana anie Andriamanitra.
Azo asiana fifanakalozana momba ny Tenin’Andriamanitra vao novakîna teo, izay andraisan’ny ankizy anjara ; tsy atao lava loatra ny fotoana ; ary azo faranana tahatahaka izao :
Mpanentana (tahatahaka izao) Isan’andro isika dia mianatra any an-dakilasy, manampy ny ray aman-dreny any an-tokantrano, miara-mikorana sy milalao amin’ny namana… Koa entanina isika izao hanao an’ ireo rehetra ireo amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika. Ary ny fianarana katesizy izay hataontsika isan-kerinandro dia mba hanampy antsika handalina ny finoantsika sy hahatonga antsika ho olom-banona ho an’ny Eglizy sy ny fiaraha-monina. Raha mazoto isika dia hivoatra sy hivelatra tsikelikely ara-tsaina fa indrindra ara-panahy.
Ary amin’izao isika dia haneho am-pahibemaso fa vonona hihaino ny fampianaran’ny Tompo. Ka haseho amintsika ilay boky katesizy izay hampiasaintsika mandritra ity taom-pianarana katesizy ity.
Aseho amin’ny rehetra ny boky katesizy ampiasaina eo an-toerana izay hapetraka eo akaikin’ ny Famakian-teny na eo akaikin’ny Jiron’ny Paka… Azo asiana hira ohatra :
Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,
N’aiza n’aiza hitondranao ahy
Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,
Fa ianao no miantso ahy.
                Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
                Tsy manana olon-kafa aho, fa ianao no fiainako.
                Hanara-dia anao: ‘zay no faniriako,
                Hifikitra aminao aho, Jesoa.
Mpanentana : Mba hihainoantsika tsara ny fampianarana rehetra sy hanarahantsika dia an’i Jesoa mandritra ity taom-pianarana vaovao ity, dia ndeha isika hangataka amin’Andriamanitra Ray ny herin’ny Fanahy Masina fa Izy no hampianatra antsika ny zavatra rehetra sy hanatsara ny fiainantsika. Miara-mitsangana àry isika rehetra.
Fiv : Ekeo ny vavakay, ry Tompo ô, ekeo, ekeo ny vavakay. (na hafa)
Ankizy 1: Aoka hivavaka isika mianakavy ho an’ny Fiangonana manontolo : ny Papa Ray Masina, ny eveka sy ny pretra ary ny diakra rehetra mba samy hoampian’Andriamanitra anie izy ireo mba hampianatra antsika ny hafatry ny Tompo. / Fiv : Ekeo ny vavakay…
Ankizy 2: Aoka isika hivavaka ho an’ny mpampibe sy ny ray aman-drenintsika tsirairay, mba samy hazoto hizara amintsika ny soa avy amin’i Jesoa sy hazoto hanoro antsika ny lalana mankany amin’ny fahasambarana mandrakizay. / Fiv : Ekeo ny vavakay…
Ray aman-dreny : Aoka isika hivavaka ho an’ny ankizy rehetra eran-tany, ka hazoto hitady an’i Kristy sy hanara-dia Azy. Ary aoka hivavaka koa isika ho an’ny mpampibe rehetra mba samy hahatanteraka amin-kafaliana ny asa ampanaovin’ny Eglizy azy hampianatra ny ankizy sy ny tanora. / Fiv : Ekeo ny vavakay …
Mpampianatra katesizy : Aoka isika hivavaka ho an’ny ray aman-dreny rehetra mba samy hahay hanome ohatra velona ny zanany satria izy ireo no mpampibe voalohany indrindra. / Fiv : Ekeo ny vavakay …
Mpanentana : Ary ho mariky ny maha mpiray tampo antsika dia sady hifandray tanana isika no hiantso ny Raintsika iombonana manao hoe :
Daholo (mifandray tanana ) RAINAY ANY AN-DANITRA…(aleo tononina ihany)
Mpanentana : Ry Ray tsara fo ô, mba henoy ny vavakay amin’izao fanombohana ny taom-pianarana katesizy vaovao. Fenoy ny fahasoavanao ireto zanakao manatrika etoana ireto ary omeo azy ireo ny herim-po sy finiavana ilainy hianatra katesizy sy hifanampy hikaroka ny soa. Amin’ny alalan’i Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay izany.
Daholo : Amen.
Mpanentana : Ary mbola mitodika amin’i Masina Maria isika izao fa izy Reny no nampianatra an’i Jesoa fony izy mbola zazakely, sady mpianany voalohany indrindra nihaino ny Tenin’ny Tompo sy nanatanteraka azy.
Daholo (mitodika amin’ny sarin’i Masina Maria): ARAHABA, RY MARIA…
Mpanentana : (filazana fohy raha misy. Dia faranana ny fotoampivavahana )
            Fo Masin’i Jesoa… Fo madion’i Maria… Md Jozefa…
            (Md/Mb… mpiaro)
            Ry Fo Masin’i Jesoa, matoky anao izahay…
            Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen.
Dia samy mody amin-kafaliana ny rehetra. Azo atao koa ny mifampitantana rehefa mody. Mandritra ny odiana dia azo asiana hira ohatra :
‘Ndao mba hiaraka aminay, hiaraka hitady an’i Jesoa… / Hafaliana e !...