Fetin’ny FAHAZAVANA Fotoan’ny Paka
|
(fanao mandritra ny Fotoan’ny Fiavian’ny Tompo)
Raha hitan’ny pretra tomponandraikitra fa mety,
dia azo tanterahina mandritra ny Fankalazana ny
Eokaristia,
indrindra amin’ireo fankalazana be tanora sy ankizy
Zavatra ilaina :
Ny Jiron’ny Paka izay
arehitra isaky ny fankalazana lehibe mandritra ny Fotoan’ny Paka, izany hoe,
hatramin’ny Alina fiaretan-tory hankalazana ny Paka ka hatramin’ny Alahady
Pantekôty;
Jiro valo manodidina ny Jiron’ny Paka,
ilazana ny Herinandro fito fankalazana ny Paka, miampy ny Alahady Pantekôty [(7x7)+1]=50;
Arehitra tsirairay isaky
ny alahady ireo jiro ireo ka ny Jiron’ny Paka no ampirehetana azy; ny alahady fankalazana
ny Paka no ampirehetana ny jiro voalohany, sns;
Azo asiana fanentanana kely
alohan’izany ka indro misy torohevitra, izay nalaina tamin’ny Evanjely
androtr’io (taona D):
Ø Alahady Paka (Ny Jiron’ny
Paka ihany no efa mirehitra): Eto anoloantsika ny Jiron’ny Paka
narehitra tamin’ny Alina Fiaretan-tory teo iny, izay manambara ny Fahazavan’i
Kristy tafatsangan-ko velona ; mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Hafaliana,
ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo (Arehitra ny jiro voalohany sady atomboka
ny Voninahitra anie).
Ø Alahady
Faharoa
(Efa
mirehitra ny Jiron’ny Paka mbamin’ny jiro iray): Tompo sy
Andriamanitra i Jesoa tafatsangan-ko velona ; mirehitra ao am-pontsika ny
fahazavan’ny Finoana, ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny
jiro faharoa sady atomboka ny Voninahitra anie).
Ø Alahady
fahatelo
(Efa
mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro roa teo aloha): Ny
Eglizy no isehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona izao, dia ny Eokaristia Sakafo
mampiray no ahitana Azy ; mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Fiombonan’ny
mpino, ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro fahatelo sady atomboka
ny Voninahitra anie).
Ø Alahady
fahefatra
(Efa
mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro telo teo aloha):
Mpitandrina mahatoky i Jesoa: mahalala antsika tsirairay ary mirehitra ao
am-pontsika ny fahazavan’ny Fahatokisana Azy, ka ndeha omentsika voninahitra
Izy Tompo. (Arehitra
ny jiro fahefatra sady atomboka ny Voninahitra anie).
Ø Alahady
fahadimy
(Efa
mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro efatra teo aloha): Ny
fifankatiavana toy ny nitiavan’i Kristy antsika no didy vaovao ary mirehitra ao
am-pontsika ny fahazavan’ny Fitiavana, ka ndeha omentsika voninahitra Izy
Tompo. (Arehitra
ny jiro fahadimy sady atomboka ny Voninahitra anie).
Ø Alahady
fahenina
(Efa
mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro dimy teo aloha):Ny
Fanahy Masina no mampahafantatra antsika ny fifankatiavan’ny Ray sy ny Zanaka ary
mirehitra ao am-pontsika ny Herin’ny Fanahy Masina, ka ndeha omentsika
voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro fahenina sady atomboka ny Voninahitra anie).
Ø Alahady
fahafito (Efa mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro enina
teo aloha): Iray tokoa i Jesoa sy ny Rainy. Andriamanitra dia
Fitiavana ary mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Firaisan-kina, ka ndeha
omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro fahafito sady atomboka ny
Voninahitra anie).
Ø Alahady
Pantekôty (Efa mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro fito teo
aloha): Tsy misaraka ny fitiavana an’i Jesoa sy ny fandalàna ny
marina ary mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Fahamarinana sy ny Fahalalana,
ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro fahavalo sady atomboka ny
Voninahitra anie).
Sem comentários:
Enviar um comentário