RAZOKIBE José, scj
Tompoy an-kafaliana ny Tompo
Laharana faharoa (nohavaozina)
Fanontana faharoa
Araka ny fangatahan’olona maro dia mahafaly anay ny hamoaka indray ity Tompoy an-kafaliana ny Tompo- lahaharana voalohany -ity izay heverinay fa nanampy be dia be hatramin’izao ireo mpiandraikitry ny Fanompoam-pivavahana amin’ny ankapobeny, Mpiservysy Mpampibe ao amin’ny fiangonana misy antsika.Ary natao ihany koa mba hisy fiombonana bebe kokoa amin’ny Eglizy manontolo izay avy nankalaza ny faha-50 taonan’ny namoahana ny Foto-pampianaran’ny Kaonsily Vatikana faha-roa momba ny Litorjia “Sacrosanctum Concilium” (4 desambra 1963).
Fanitsiana sy fanamboarana vitsivitsy no nentina nanatanteraka ny fanaovana azy, eny na dia miova kely aza ny fisehony; anisan’ireny dia izay mikasika ny Lalàna Fototra Apostolîka amoahana ny Boky fanaovana ny Sorona Masina izay efa nohavaozina rahateo ka azo jerena ao amin’ny Boky Fanaovana Sorona Masina vaovao. Ho fanampiny koa dia nasiana fanazavana vitsivitsy momba ny Taona sy ny Tetiandro ary toro hevitra manokana ho an’ireo Mpiservy izaymiandraikitra fanembohana.
Ary entanina koa isika mianakavy hampifanandrify amin’ity TKT ity ny Taridalana amin’ny Fankalazana ny Eokaristia natolotry ny Vaomieran’ny Eveka miandraikitra ny Fanompoampivavahana eto Madagasikary tamin’ny taona 2010, izay natao mba hampisongadina izay tokony ho fantatry ny besinimaro momba izany Fankalazana tsy manam-paharoa izany, sady nokendrena hampiombona sy hampiray ny fanaon’ny katolika rehetra eran’ny Nosy.
Anio, faha-12 jiona 2015
Fankalazana ny Fo Masin’i Jesoa
Razokibe José, scj
Sem comentários:
Enviar um comentário