segunda-feira, 21 de março de 2016

Hateloana fankalazana ny Paka - zavatra homanina sy mpandraharaha

I - alakamisy MASINA

1 - Mpandraharaha manokana

Mpanao Reposoara:
Mpanentana:
Mpitari-kira:
Mpiservy:
Vakinteny eny am-baravarana: Mompera
Mpanamboatra ny Ötely
Fanembohana sy emboka:
Lakroa sy jiro 2:
Lamban’ny Ötely:
Lamban’ny kredansy:
Haingon’ny Famakian-teny (raha asiana):
Jiron’ny Ôtely sy voninkazo:
Jiro amin’ny famakiana ny Evanjely:
Boky vakinteny:
Bokin-damesa:
Corporal sy Purificatoire:
Kalisy:
Siboara:
Fasiana divay sy rano:
Jaogy sy koveta anasana tongotra:
Rano anasan’ny pretra tanana:
(Voile humérale)
Zaza mametra-panontaniana:
Lakolosy amin’ny Antsa voninahitra:
Mpamaky Teny I:
Mpiventy Salamo:
Mpamaky Teny II:
Olona 12 sasana tongotra:
Ranombavaka:
Evanjely @ Fanombohana, Tenin’Andriamanitra, Reposoara: Mompera
(Mpamaky Salamo 21 (@ fanalana ny rehetra @Ôtely):
Rakitra:

2 - Zavatra homanina

*Tsy asiana na inona na inona eo amin’ny Ötely
* Eny am-baravarana: Latabatra asiana ireo rehetra voalaza teo aloha
* Eny amin’ny faritry ny Ötely: toerana hipetrahan’ireo olona 12 sasana tongotra
* Reposoir misy haingo eo amin’ny toerana sahaza azy

3 - Aorian’ny Sorona Masina

Fiambenana masina isam-boribory tany... azo arahina ny sosokevitra hita eo amin’ny boky Herinandro Masina; ampahatsiahivina ny kristianina fa tsy fiandrasam-paty akory izany fa fiombonana amin’i Kristy miady aina
> Rakofana lamba volomparasy na mena ny Lakroa lehibe raha tsy azo esorina

II - ZOMA MASINA

1 - Mpandraharaha manokana

Mpanentana:

Mpitari-kira:
Mpamaky Teny I :
Mpiventy Salamo :
Mpamaky Teny II :
Tantaran’ny Nijalian’ny Tompo:
Mpiventy hira:
Mpitantara:
Jesoa: Pretra
Piera:
Pilaty:
Vehivavy:
Vahoaka: izay manana ny Boky “Herinandro Masina”
Ranombavaka miezinezina:
Mpanentana: Pretra
Mpitarika: Pretra
Mpitondra ny Lakroa mankeny amin’ny Ôtely: 
Mpitana ny Lakroa (Mpiservy 2):
Mpanotrona ny Lakroa (Mpiservy 2):
Mpitana ny fasian-drakitra (Mpiservy 2):
“Mpandevina” : 

 2. Zavatra homanina

* Tsy misy Lakroa hita maso ao am-piangonana
* Tsy asiana na inona na inona eo amin’ny Ôtely
* Amin’ny fanombohana dia misy lafika iankohofan’ny Pretra manoloana ny Ôtely
 * Eny am-baravarana:
Lakroa
Jiro 2 (afokasoka)
 * Eny amin’ny latabatra kredansy:
Lafika iankohofan’ny pretra (velarina eo anoloan’ny Ôtely alohan’ny fotoampivavahana – esorina rehefa avy eo)
Lamban’ny Ôtely (velarina alohan’ny fizarana kômonio)
Corporal sy  Bokin-damesa (na HM)
Fasian-drakitra (fanajana ny Lakroa)
* Eo akaikin’ny Ôtely
Fametrahana ny Lakroa aorian’ny fitsaohana azy
* Eny amin’ny “Reposoir”:
Jiro 2 (afokasoka)
(Voile huméral)

III - ALINA FIARETAN-TORY FANKALAZANA NY PAKA

1 - Mpandraharaha manokana :

Mpanentana:
Mpitari-kira:
Mpamelona ny Afo Vao:
Fanembohana sy emboka: Mpiservy
Mpiservy:
Mpiventy ny Antsa Fihobiana ny Paka:
Jiron’ny Fiangonana:
Fihetsika:
Jiron’ny Paka:
Tenin’Andriamanitra:
Voninahitra (arehitra ny jiron’ny Ôtely sy ampanenoina ny lakolosy):
Rano:
Fanatitra:
Vakinteny I (Jen):
Salamo manelanelana ny Vakiteny I:
Vakinteny II (Eks):
Salamo:
Vakinteny III (Ez):
Salamo:
(Raha atao daholo ny Vakinteny dia mila jerena ireo hanao azy)
Lakolosy Voninahitra:
Jiron’ny Ôtely (2): Mpanao fihetsika amin’ny voninahitra:
Mpamelona ny Jiron’ny Ôtely amin’ny voninahitra:
Vakinteny IV (Rom):
(Kabary fanambarana ny Aleloia: )
Mpiventy ny Litania:
Rakitra (tantazana):

2. Zavatra homanina

* Eny an-tokontany:
Afo Vao
Jiron’ny Paka (entina avy amin’ny sakristia)
Fanembohana tsy mbola misy arina (+ fangalana afo)
Boky Herinandro Masina
Bokin-damesa
(Jiro fanao am-paosy hamakian-teny raha ilaina)
Labozia ho an’ny mpandraharaha rehetra
 * Eny am-baravarana:
Boky vakinteny voahaingo
Voninkazo sy Jiron’ny Ôtely hoentina amin’ny voninahitra (na @kredansy)
Rano hanaovana Batemy (siny tany na lañanana, arakaraka ny fomba eo an-toerana)
Fanatitra: Hostia, Divay Rano (tsy entina ny kalisy mbamin’ny lamba)
 * Eny amin’ny kredansy:
Kôrpôraly, Kalisy sy Lamba fanadiovana ny Kalisy
Rano anasana tanana
Fasiana Ilo Masina raha misy Batemy (na eo amin’ny Fanaovana Batemy avy hatrany)
Ritoalin’ny Batemy (raha misy hatao Batemy)
Famafazan-dranon’ny Paka (na eo amin’ny Fanaovana Batemy avy hatrany)
 * Eny amin’ny faritry ny Ôtely:
Fasiana Jiron’ny Paka (akaikin’ny Famakian-teny...)
Fasiana rano anaovana Batemy na Ranon’ny Paka


sexta-feira, 18 de março de 2016

Fetin'ny Fahazavana - Fotoan'ny Paka


Fetin’ny FAHAZAVANA Fotoan’ny Paka
Sosokevitra nipoirana tamin’ny “Couronne d’Advent”
(fanao mandritra ny Fotoan’ny Fiavian’ny Tompo)
Raha hitan’ny pretra tomponandraikitra fa mety,
dia azo tanterahina mandritra ny Fankalazana ny Eokaristia,
indrindra amin’ireo fankalazana be tanora sy ankizy


Zavatra ilaina :
Ny Jiron’ny Paka izay arehitra isaky ny fankalazana lehibe mandritra ny Fotoan’ny Paka, izany hoe, hatramin’ny Alina fiaretan-tory hankalazana ny Paka ka hatramin’ny Alahady Pantekôty;
Jiro valo manodidina ny Jiron’ny Paka, ilazana ny Herinandro fito fankalazana ny Paka, miampy ny Alahady Pantekôty [(7x7)+1]=50;
Arehitra tsirairay isaky ny alahady ireo jiro ireo ka ny Jiron’ny Paka no ampirehetana azy; ny alahady fankalazana ny Paka no ampirehetana ny jiro voalohany, sns;
Azo asiana fanentanana kely alohan’izany ka indro misy torohevitra, izay nalaina tamin’ny Evanjely androtr’io (taona D):

Ø Alahady Paka (Ny Jiron’ny Paka ihany no efa mirehitra): Eto anoloantsika ny Jiron’ny Paka narehitra tamin’ny Alina Fiaretan-tory teo iny, izay manambara ny Fahazavan’i Kristy tafatsangan-ko velona ; mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Hafaliana, ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo (Arehitra ny jiro voalohany sady atomboka ny Voninahitra anie).

Ø Alahady Faharoa (Efa mirehitra ny Jiron’ny Paka mbamin’ny jiro iray): Tompo sy Andriamanitra i Jesoa tafatsangan-ko velona ; mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Finoana, ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro faharoa sady atomboka ny Voninahitra anie).

Ø Alahady fahatelo (Efa mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro roa teo aloha): Ny Eglizy no isehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona izao, dia ny Eokaristia Sakafo mampiray no ahitana Azy ; mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Fiombonan’ny mpino, ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro fahatelo sady atomboka ny Voninahitra anie).

Ø Alahady fahefatra (Efa mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro telo teo aloha): Mpitandrina mahatoky i Jesoa: mahalala antsika tsirairay ary mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Fahatokisana Azy, ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro fahefatra sady atomboka ny Voninahitra anie).

Ø Alahady fahadimy (Efa mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro efatra teo aloha): Ny fifankatiavana toy ny nitiavan’i Kristy antsika no didy vaovao ary mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Fitiavana, ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro fahadimy sady atomboka ny Voninahitra anie).

Ø Alahady fahenina (Efa mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro dimy teo aloha):Ny Fanahy Masina no mampahafantatra antsika ny fifankatiavan’ny Ray sy ny Zanaka ary mirehitra ao am-pontsika ny Herin’ny Fanahy Masina, ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro fahenina sady atomboka ny Voninahitra anie).

Ø Alahady fahafito (Efa mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro enina teo aloha): Iray tokoa i Jesoa sy ny Rainy. Andriamanitra dia Fitiavana ary mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Firaisan-kina, ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro fahafito sady atomboka ny Voninahitra anie).


Ø Alahady Pantekôty (Efa mirehitra ny Jiron’ny Paka sy ireo jiro fito teo aloha): Tsy misaraka ny fitiavana an’i Jesoa sy ny fandalàna ny marina ary mirehitra ao am-pontsika ny fahazavan’ny Fahamarinana sy ny Fahalalana, ka ndeha omentsika voninahitra Izy Tompo. (Arehitra ny jiro fahavalo sady atomboka ny Voninahitra anie).