Mankany amin'ny Fahazavan’ny Noely
Fanomanana ny Noely "Couronne d'Avent" noheverina hataon’ny mpianatra katesizy
Fandaminana sy fandrafetana: Razokibe José
Zavatra ilaina
Labozia 4: volomparasy 3, mavokely 1
Ravi-maitso “sapin”, amontanha, hasina…
Tsara ho fantatra mialoha
Fombampivavahana noheverina ho an’ny mpianatra katesizy izy ity.
Tsara raha ireo ankizy/tanora mihitsy no manamboatra ny “fehibory” izay hapetraka eo amin’ny toerana ianarana katesizy.
Eo amin’iny toerana iny no tsara hanaovana ny Tranon’omby rehefa tonga ny Noely.
Raha hita fa tsaratsara kokoa anefa dia ilay “couronne d’avent” ampiasaina ao am-piangonana no mba anaovana ity fombampivavahana ity amin’ny fotoana sahaza.
Na dia tsy alahady aza ny andro ianarana katesizy dia amin’ilay herinandro mifandray aminy no mba hanatanterahana ny fombampivavahana.
Alahady voalohany
Mpamaky teny 1: Rehefa tsy nanaiky an’Andriamanitra ireo razantsika tany am-boalohany dia nilentika tanaty haizina ny fiainany ka tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny herin’ny fahotana.
Mpamaky teny 2: Andriamanitra anefa dia nampanantena azy fa haniraka ny Zanany hanavotra antsika sy hampisy indray ny fahazavan’ny fiainana.
Mpamaky teny 1: Efa tonga Izy nony teraka tao Betilehema mba hanokatra ho antsika ny varavaran’ny Tranony sady mbola ho avy indray amim-bominahitra amin’ny farandro.
Mpamaky teny 2: Ary efa eto anivontsika tafangona amin’ny Anarany mihitsy Izy fa izany no nampanantenainy.
Mpamaky teny 1+2: Ndeha isika handrehitra ny Fahazavan’ny Fanantenana.
Arehitra ny jiro voalohany sady hatao ny hira hoe:
Ianao no Hazavana, Jesoa Kristy Zokinay
Ianao no arahinay amin’ny fiainanay.
Hoy ny antsonay sy baikonay vahoaka notiavinao
Hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao.
Alahady faharoa
Efa mirehitra ny jiro voaholany
Mpamaky teny 1: Nandritra ny taonjato nifandimby dia efa nirahin’Andriamanitra ireo tokony hanomana ny fahatongavan’ny Zanany; tsy iza ireny fa ny Patriarka toy an-dry Abrahama, ny Mpaminany ohatra an’i Izaia ary ny Mpanjaka tahaka an’i Davida…
Mpamaky teny 2: Nambaran'izyireo fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nolazainy fa tsy maintsy miova toetra sy fomba fiainana isika mba handray Azy Tompo.
Mpamaky teny 1: Dia ahoana isika izao? Vonon-kiova toe-tsaina ve isika? Vonona hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny ve? Vonon-kandray andraikitra eo amin’ny fiangonana sy ny fiarahamonina va?
Mpamaky teny 2: Ndeha àry isika hiezaka hanaraka an-tsakany sy an-davany ny Tenin’Andriamanitra ka hanao izay rehetra hampanaoviny antsika.
Mpamaky teny 1+2: Ndeha isika handrehitra ny Fahazavan’ny Fahamarinana.
Arehitra ny jiro faharoa sady hatao ny hira hoe:
Ianao no Fahendrena, Jesoa Kristy Zokinay
Ianao no arahinay amin’ny fiainanay.
Hoy ny antsonay sy baikonay vahoaka notiavinao
Hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao.
Alahady fahatelo
Efa mirehitra ny jiro voaholany sy ny faharoa
Mpamaky teny 1: I Joany Batista koa dia nanambara an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra.
Mpamaky teny 2: Nolazainy fa tonga i Jesoa mba hampody hafaliana amin’ny namany sady hitondra azy mankany amin’ny tranon’ny Rainy.
Mpamaky teny 1: Kanefa ny tendrombohitry ny fahambonian-teny dia tsy maintsy haetry ary hahitsiana ny meloka rehetra.
Mpamaky teny 2: Ary tsy maintsy hijoro ho kristianina manatanteraka adidy isika sady hamafy hafaliana sy fihavanana hatraiza hatraiza.
Mpamaky teny 1+2: Ndeha isika handrehitra ny Fahazavan’ny Hafaliana.
Arehitra ny jiro fahatelo sady hatao ny hira hoe:
Ianao no Mpankahery, Jesoa Kristy Zokinay
Ianao no arahinay amin’ny fiainanay.
Hoy ny antsonay sy baikonay vahoaka notiavinao
Hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao.
Alahady fahefatra
Efa mirehitra ny jiro telo
Mpamaky teny 1: Androany dia i Maria, Renin’i Jesoa, no hampianatra antsika hihaino mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra sy hanatanteraka azy amin’ny fo manontolo.
Mpamaky teny 2: Ary fakan-tahaka ho antsika ihany koa i Josefa, vadin’i Maria noho izy nahay nanatanteraka ny Tenin’Andriamanitra, eny na dia anatin’ny sarotra aza.
Mpamaky teny 1: Efa mby akaikin’ny Noely isika izao ka aoka isika handinika tsara ny fomba handraisantsika an’i Jesoa.
Mpamaky teny 2: Mba misy toerana ho azy ve ao amin’ny fiainantsika? Vonona hahita Azy amin’ireo rehetra mila ny fanampiantsika va?
Mpamaky teny 1+2: Ndeha isika handrehitra ny Fahazavan’ny Fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana.
Arehitra ny jiro fahefatra sady hatao ny hira hoe:
Ianao no Famonjena, Jesoa Kristy Zokinay
Ianao no arahinay amin’ny fiainanay.
Hoy ny antsonay sy baikonay vahoaka notiavinao
Hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao.