MPAMINDRA FO
Amboaram-peo mirindra
Fandrindrana: Razokibe José, SCJ
Loharano
nanovozana: Taratasin’ny Papa Fransoa Ny endriky ny Famindram-po
(Misericordiæ vultus = MV)
Tsara ho fantatra mialoha:
a) Azo atao ao
am-piangonana ity amboaram-peo mirindra ity, noho izy mampita izay hafatry ny
Papa Ray Masina ho an’ny Eglizy manontolo, sady nalaina tamin’ny Soratra Masina
ihany koa. Ary mba azo omena endrika fampisehoana arahina dihy ihany koa.
b) Raha hita fa mety
dia azo asiana sarimaizina (diapos)
mandritra ny famakiana azy…
d) Mpamaky teny 5 no
noheverina amin'ity amboaram-peo mirindra ity, nefa azo amboarina arakaraky ny zava-misy eo an-toerana.
e) D = Daholo
(miara-mamaky teny ireo olona 5).
f) Hatao mifampitohy
ireo fehezan-teny mifarana sy manomboka amin’ny teboka telo (=…).
g) Tsy misy hira natoro;
amin’ny banga ahitana ny famantarana ♫ kosa dia samy mitady izay fantany ny fikambanana
tsirairay; tandremana fotsiny mba hifanaraka amin’ny hevitra vao nampitaina
teo.
h)Soso-kevitra: Ny feon-kira natoro amaranana ny
fampisehoana dia azo henoina ao amin’ny https://www.youtube.com/watch?v=3NDWA-nIHOw, raha hoe
tsy fantatra. Antsa
Fanevan’ny Jobilin’ny Famindram-po izy io ka dikan-teny vonjimaika no nataon’ny
mpandrindra.
1
|
Amoahy ny
vavahadin’ny fahamarina aho…
|
D
|
…mba hidirako, sy
hiderako ny Tompo[1]
|
2
|
Ity no
vavahadin’ny Tompo…
|
D
|
…ny marina no
mahazo miditra eo.
|
3
|
Izaho no
Varavarana[2]:
|
D
|
Raha izaho no
idiran’ny olona, dia hovonjena izy.
|
4
|
Indro, mitsangana
eo am-baravana aho, sady mandondona[3];
|
5
|
Raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy
aho ka miara-misakafo aminy…
|
D
|
…ary izy hiaraka
amiko.
|
1
|
Ary izaho no avy
mba hananany fiainana…
|
D
|
…sady hananany
azy be dia be[4].
|
♫
|
(asiana hira mifanaraka
amin’ny hevitra teo ambony)
|
1-2
|
Iainan’ny Eglizy fiainana marina rehefa manambara famindram-po, dia ilay
toetra lehibe indrindra mampiavaka ny Mpahary sy Mpamonjy …
|
3-4-5
|
… ary rehefa mampifanakaiky ny olombelona amin’ny loharanon’ny famindram-pon’ny
Mpamonjy…
|
D
|
…ka ny Eglizy nametrahana azy no mpizara azy koa [5].
|
1
|
Famindram-po!
|
D
|
Famindram-po!
|
2
|
Ny
Anaran’Andriamanitra dia Famindram-po!
|
D
|
Ny
Anaran’Andriamanitra dia Famindram-po!
|
3
|
|
D
|
Ny
Anaran’Andriamanitra dia Famindram-po!
|
4
|
Famindram-po: ilay
lalana fototra mitoetra ao am-pon’ny olona tsirairay, rehefa mijery
amim-pitokiana izay rehetra tsenaina eo an-dalam-piainana.
|
D
|
Ny
Anaran’Andriamanitra dia Famindram-po!
|
5
|
Famindram-po: ilay lalana mampiray Andriamanitra
sy ny olombelona, satria manokatra ny
fo amin’ny fanantenana hotiavina mandrakizay, na dia eo aza ny fetran’ny
fahotantsika.
|
D
|
Ny
Anaran’Andriamanitra dia Famindram-po!
|
1-2
|
|
3-4-5
|
Enga anie mba hahatongavan’ny
hanitry ny famindram-po ireo mpino sy ireo mbola
lavitra, mba ho famantaran’ny Fanjakan’ Andriamanitra efa eto anivontsika.
|
D
|
Ny
Anaran’Andriamanitra dia Famindram-po!
|
1-2
|
Antsoina hiaina
ny famindram-po isika…
|
3-4-5
|
|
D
|
|
♫
|
(asiana hira mifanaraka amin’ny hevitra teo
ambony)
|
1
|
Kanefa moa… maro
ny malahelo mitady fampiononana
|
2-3
|
…ranomaso raraka eran’tany…
|
4-5
|
…adilahy tsy an-kijanona mampahory sy mahafaty…
|
1
|
Liana ny teninao
aho…
|
D
|
…nefa fahanginana
no nasetrinao izany.
|
2
|
Liana ny
tsikitsikinao aho…
|
D
|
…nefa tsy
nojerenao akory.
|
3
|
Liana ny
fijerinao aho…
|
D
|
…nefa nafeninao
tamiko ny endrikao.
|
4
|
Liana ny fiadanana
aho…
|
D
|
…nefa adiady
ihany no hitako taminao.
|
5
|
Liana ny famindram-ponao
aho…
|
D
|
…nefa fo vato
ihany no nasehonao tamiko.
|
1
|
Liana rariny sy
hitsiny aho…
|
D
|
…nefa ny
tombontsoa ho anao ihany no nokendrenao.
|
2
|
Liana fanantenana
aho…
|
D
|
…nefa ny
hamafin’ny endrikao no nosedraiko.
|
3
|
Satria izay
rehetra nataonao tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra…
|
D
|
…dia Izaho no
nanaovanao azy.
|
4
|
Ny asa
fanasoavana ara-batana no ahatsapana ny Vatan’i Kristy ao amin’ireo havana
aman-tsakaiza mila fivelomana…
|
5
|
…fampiakanjonana…
|
1
|
…fampiantranoana
|
2
|
…famangiana…
|
3
|
Ny asa
fanasoavana ara-panahy koa dia mahakasika mivantana ny maha-mpanota antsika:
|
4
|
Manoro hevitra…
|
5
|
…mampianatra…
|
1
|
…mamela heloka…
|
2
|
…mampitandrina…
|
3
|
…mivavaka.
|
4
|
|
D
|
Inona àry no mba azonay atao?
|
5
|
I Kristy mila ny
molotrao mba hitory Fiadanana…
|
1
|
I Kristy mila ny tongotrao mba hitety ny lafivalon’ny tany…
|
2
|
I Kristy mila ny
tananao mba hitsodrano ny vahoakany…
|
3
|
I Kristy mila ny
sofinao mba hihaino ny sentosenton’ny ory…
|
4
|
I Kristy mila ny
masonao mba hibanjina ny hatsaran’ny voaary…
|
5
|
I Kristy mila ny
fonao mba hitia hatrany hatrany…
|
1-2
|
|
3-4
|
Tsy te-hiasa
irery ny Tompo hamonjena an’izao tontolo izao…
|
5
|
…fa nataony ho
vavolombelon’ny fitiavany isika…
|
D
|
…sy ho mpanompon’ny
fampihavanana.
|
♫
|
(asiana
hira mifanaraka amin’ny hevitra teo ambony)
|
1
|
Hitsabo ny ferin’izao tontolo izao…
|
2
|
…hanamaivana azy amin’ny ilon’ny fampiononana…
|
3
|
…mamehy azy amim-pamindram-po…
|
4
|
…ary mitsabo azy amim-piombonana sy fitandremana marina.
|
5
|
|
1
|
Hitondra teny sy hetsika fampiononana amin’ny
mahantra…
|
2
|
…hitory fahafahana amin’ireo voan’ny
karazam-panandevozana vaovao…
|
3
|
…mamerina ny fahiratana amin’ireo tsy
mahita afa-tsy ny tenany irery ihany…
|
4
|
|
5
|
Tompo ô, mba raiso aho…
|
D
|
…hampanjaka ny fiadanana avy aminao.
|
1
|
Ny mankahala anie…
|
D
|
…homeko fitiavana.
|
2
|
Ny nanaovan-dratsy…
|
D
|
…homeko fahaiza-mamela.
|
3
|
Ny miadiady…
|
D
|
…homeko fihavanana.
|
4
|
Ny misalasala…
|
D
|
…homeko finoana.
|
5
|
Ny diso hevitra…
|
D
|
…homeko ny marina.
|
1
|
Ny mamoy fo…
|
D
|
…homeko fanantenana.
|
2
|
Ny malahelo…
|
D
|
…homeko hafaliana.
|
3
|
Ny anaty haizina…
|
D
|
…homeko hazavana.
|
4
|
Ry Tompo ô, tsy ny hanalana alehalo loatra anie no hotadiaviko…
|
D
|
…fa ny hanala alahelo.
|
5
|
Tsy ny hohenoina…
|
D
|
…fa ny hihaino olona.
|
1
|
Tsy ny hotiavina…
|
D
|
…fa ny ho tia.
|
2
|
Satria izay manome no mandray…
|
D
|
…izay mamela heloka no havela heloka…
|
3
|
…izay manao aina tsy ho zavatra no ho velona
mandrakizay.
|
4
|
Aza
hadinontsika ireo tenin’i Masindahy Jean de La Croix manao hoe :
|
5
|
Amin’ilay tafarivan’ny fiainana…
|
D
|
…ny fitiavana no hitsarana antsika.
|
1
|
Tahaka izany koa dia hanontaniana isika raha nanampy olona hiala amin’ny
fisalasalana izay mahatonga ny tahotra…
|
2
|
…raha afaka naharesy ny tsy fahalalana iainan’ireo olona maro an’isa,
indrindra ireo ankizy tsy ampy fahampiana hiala amin’ny fahantrana…
|
3
|
…raha niafitra akaikin’ireo manirery sy ory…
|
4
|
…raha namela ireo nandiso tamintsika…
|
5
|
…raha nandà ireo karazana lolompo sy fankahalana miterika vatravatra…
|
1-2
|
…raha niaritra, ohatra an’Andriamanitra izay mandefitra mandrakariva…
|
3-4-5
|
…raha nivavaka ho an’ny havantsika rehetra sy nanankina azy tamin’ny
Tompo.
|
D
|
Ao amin’ireo kely indrindra ireo no ahitantsika an’i Kristy.
|
1
|
|
D
|
…voafery…
|
2
|
…voakapoka…
|
D
|
…mosarena…
|
3
|
…mandositra…
|
D
|
…ka mila ho ekena…
|
4
|
…ho kasihina…
|
D
|
…ary ho ampiantsika amim-pitandremana.
|
5
|
N’aiza n’aiza eny
amin’ny paroasintsika…
|
1
|
…amin’ny
ankohonampiainantsika…
|
2
|
…amin’ny
fikambanantsika…
|
3
|
…eny, amin’izay
misy kristianina…
|
4-5
|
|
D
|
…tany lonaky ny famindram-po!
|
♫
|
Mpamindra fo toy
ny Ray… (in-4)[16] (fiverenana ihany: tendrena moramora ny feon’ny hira
mandritra ny teny manaraka:)
|
1
|
Ary raha Famindram-po no Anaran’Andriamanitra…
|
2
|
… dia Faharetana koa…
|
3
|
…Fangorahana…
|
4
|
…Hamoram-po…
|
5
|
…Fanantenana…
|
1-2
|
…Hatsaram-panahy…
|
3
|
…Hafaliana…
|
3-4-5
|
…Firaiketam-po…
|
D
|
…Famelan-keloka!
|
1-2
|
Ny fahalavirana ny lolompo…
|
3-4-5
|
…ny fahatezerana…
|
1-2
|
…ny vatravatra…
|
3-4-5
|
…ny valifaty…
|
D
|
|
1
|
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo , sady masina
sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana…
|
D
|
…halemem-panahy…
|
2
|
…fanetren-tena…
|
D
|
…fahamaotonana…
|
3
|
…fandeferana.
|
D
|
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka.
|
4
|
Fa ambonin’izany rehetra izany dia mitafia ny
fitiavana…
|
D
|
|
5
|
Fa fitsarana tsy misy famindram-po…
|
D
|
…no ho anjaran’izay tsy namindra fo.
|
1-2
|
|
D
|
Ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.
|
♫
|
Mpamindra fo toy
ny Ray… (fiverenana ihany: tendrena
moramora ny feon’ny hira mandritra ny teny manaraka:)
|
1
|
Satria Famindram-po
no Anaran’Andriamanitra.
|
D
|
Famindram-po no
Anaran’Andriamanitra.
|
2
|
|
D
|
…Endriky ny Famindram-pon’ny Ray.
|
3-4-5
|
|
1-2
|
|
3-4-5
|
Toy ny maha-Mpamindra fo Azy…
|
D
|
…dia izany no iantsoana antsika hifamindra fo.
|
1-2
|
Izay manatanteraka famindram-po…
|
D
|
|
♫
|
Mpamindra fo toy
ny Ray… (in-4)
Mitalaho fiadanana amin’ny Tompon’ny fiadanana…
Mandrakizay anie ny famindram-pony.
Ny tany miandry ny Evanjelin’ny Fanjakana…
Mandrakizay anie ny famindram-pony.
Hafaliana sy famelana ao am-pon’ireo madinika…
Mandrakizay anie ny famindram-pony.
Dia hihavao ny lanitra sy ny tany…
Mandrakizay anie ny famindram-pony.
Mpamindra fo toy
ny Ray… (in-4)
|
(Tohizina
kely ny fiverenana mandritra ny fizarana fahatsiarovana ny mpijery rehetra)
|
[7] MV 4 (Kabarin’ny
Papa Paoly fahaenina tamin’ny fotoam-pivoriana faran’ny Kaonsily Vatikana
faharoa – 7 desambra 1965).
[13] Jereo MV 16.
[14] Jereo MV 15
[16] Ny Antsan’ny Jobilin’ny Famindram-po dia henoina ao amin’ny https://www.youtube.com/watch?v=3NDWA-nIHOw
[18] Kol 3,12.
[19] Jk 2,13.
[20] MV 1.
[21] Lk 6,36.
[22] MV 9.
Sem comentários:
Enviar um comentário