Hasivian’andro fiomanana ny Fankalazana ny Fo Masin’i Jesoa
Fandrindrana
sy fandrafetana: Razokibe José, scj
Ho an’ny
Ankohonampiainana Dehonianina eto Madagasikara sy ny mpiara-dia aminy.
Fanavaozana
sy fanitsiana an’ilay naseho tamin’ny mey 1997.
Noheverina
mba hatao mandritra ny fitsaohana ny Sakramenta Masina.
Na dia
tsy hisy Tsodranon’ny Sakramenta Masina aza, dia azo atao daholo ireo
tonombavaka voatondro,
araka izay hitan’ny mpandraharaha eo an-toerana fa mety.
araka izay hitan’ny mpandraharaha eo an-toerana fa mety.
1. Inty aho
tonga…
Ao amin’ireto teny ireto “Inty aho”...
no misy ny lalam-piantsoana antsika manontolo sy ny tanjona kendrentsika ary ny
adidy amam-panomezatokintsika (Léon Dehon).
Fanaingana
Nony niditra tamin’izao tontolo izao ny Kristy dia
nanao hoe : « tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra
vatana ho anay ianao ; tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny
ota, ka hoy aho hoe : inty aho tonga – fa izao no voalaza ao amin’ny
horonam-boky – hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô ! Ary ny herin’izany
sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny
vatany indray mandeha monja » (Heb 10,5-7.10).
Vavaka
iombonana (Charles de Foucauld)
Ray
ô, mitolo-tena Aminao aho,
ataovy
izay tianao hatao amiko
ka
na inona na inona hataonao ahy,
dia
isaorako Anao.
Vonona
amin’ny zavatra rehetra aho
ary
manaiky izay rehetra miseho.
Koa
rehefa tanteraka ny sitraponao amiko,
sy
amin’ny voaary rehetra,
dia
tapi-java-nirina aho ry Andriamanitro.
Apetrako
eo am-pelatananao ny fanahiko.
Omeko
Anao izany, ry Andriamanitra,
miaraka
amin’ny fitiavana eran’ny foko,
satria
tiako Ianao,
sady
ho fanehoako ny fitiavana ato amiko,
no
anolorako tena amim-pitokiana tanteraka Aminao,
fa
Raiko Ianao.
Amen.
Mba ivavahana sy andinihana mandritra ny Fitsaohana
Heb 10,1-10 : Inty aho tonga hanao ny
sitraponao
Mat 9,9-13 : Ny famindram-po no sitrako fa tsy
ny sorona
Sal 39 : Inty aho tonga…
Torohevitra momba ny hira
Ataovy mikatsaka – FV 531 ; VH 526 ; VIA
532
Ny Teninao… no mamiko – FV 255 ; VH 276
Atolotro ho anao – FV 535 ; VH 780
Atolotro anao Andriamanitra ô – FV 367 ; VH 732
Hoy
i Kristy : tsy izay miantso hoe Tompoko – FV 461 ; VH 353 ; VIA
247
Alohan’ny
tsodranon’ny Sakramenta Masina
Tsy
nisalasala hanolotra ny Ainao ho fitiavana anay sy ny olon-drehetra
Ianao
ry Jesoa Tompo.
Avy
tamin’ny lanivoanao nisokatra teo ambony Hazofijaliana,
dia
nisy ra sy rano nikoriana.
Atreho
àry ny fianakavianao tafavory eto anatrehanao.
Navotanao
tamin’ny ranon’ny Batemy Izy,
ary
nofahananao ny Vatana aman-dRanao ao amin’ny Eokaristia.
Hamasino
izahay ho mendrika ny Fonao Andriamanitra.
Anao
izahay anio sy ho mandrakizay.
Ataovy
mahery noho ny fahafatesana
ny
fitiavanay mbola mitsilopilopy.
Enga
anie izahay ho tena mpianakavy marina, ka hifankatia.
Omeo
hamoram-po àry izahay hahaizanay mandray ny hafa.
Ka
ny fihavananay anie ho seha-pitsaohana sy ho fisaorana Anao ;
ary
honenan’ny famelan-keloka ombam-piadanana.
Tariho
hankany Aminao sy ny Fonao ny olombelona rehetra ;
ka
ataovy tonga fianakaviana iray
noho
ny fitiavana ny Fonao
sy
ny Herin’ny Fanahinao Masina,
ho
voninahitr’Andriamanitra Ray.
Amen.
Hira
fihobiana ny Eokaristia sy vavaka
Ry Andriamanitra izay nanavotra ny olombelona
rehetra tamin’ny alalan’ny misterin’ny Pakan’i Kristy ô, arovy ao aminay
ny asan’ny fitiavanao. Ary enga anie izahay mba ho afa-mankalaza ny misterin’ny
famonjena anay amim-pomba marina hiotazanay ny vokatr’izany. Amin’ny alalan’i
Jesoa Kristy Tomponay. Amen.
Fihobiana
aorian’ny tsodrano
A/ Voninahitra sy dera
anie ho anao, ry Jesoa Tompo. - /Voninahitra...
Ry Kristy, tonga nofo, A/
Voninahitra…
Ry Kristy, nohamarinin’ny Fanahy, A/
Voninahitra…
Ry Kristy, banjinin’ny Anjely, A/
Voninahitra…
Ry Kristy, torîna amin’ny tsy mpino,
A/ Voninahitra…
Ry Kristy, inoana eran-tany, A/
Voninahitra…
Ry Kristy, ankalazaina am-boninahitra,
A/ Voninahitra…
2. Ho tonga anie ny fanjakanao
Ny Fanjakan’ny Fon’i Jesoa eo amin’ny
fiarahamonina dia Fanjakan’ny fahamarinana, ny fitiavana, ny famindrampo ho
an’ireo madinika sy manetry tena ary ireo mijaly (Léon Dehon).
Fanaingana
Misaotra anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha
izay ankehitriny sy taloha, fa naneho ny herinao lehibe Ianao, ka manjaka izao.
Lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao ka hanjaka
mandrakizay mandrakizay Izy ; Matahora an’Andriamanitra ; omeo
voninahitra izy, fa tonga ny andro fitsarany. Mitsaoha an’ilay nahary ny
lanitra sy ny tany, mbamin’ny ranomasina sy ny loharano » (Apok 11,17.15 ;14,7).
Vavaka
iombonana (Apok 12,10-12 ;15,3-4)
Ankehitriny
dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana ;
an’ny
Kristiny koa ny fahefana,
fa
efa resy ilay mpiampanga ny rahalahintsika,
dia
ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika
Nandresy
azy ireo koa ny rahalahintsika
noho
ny ran’ny Zanakondry sy ny Teny nambarany
ary
ny fitandroany ny ainy na dia ho faty aza Izy.
Koa
mifalia, ry lanitra, mbamin’ireo monina ao aminy.
Lehibe
sy mahagaga ny asanao, ry Tompo,
Andriamanitra
Tsitoha !
Marina
sy mahitsy ny lalanao,
ry
Mpanjakan’ny taona mandrakizay
Iza
no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao, Tompo ô ?
Fa
Ianao irery no masina,
ka
ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra,
satria miseho miharihary ny
fitsaranao !
Mba ivavahana sy andinihana mandritra ny
Fitsaohana :
Jo 18,33-40 : Moa mpanjaka va ianao ?
1 Ko 15,20-28 : Atolony amin’ny Ray ny
fanjakana
Sal 96 : Manjaka ny Tompo, miravoa ny
tany !
Torohevitra momba ny hira :
Handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa – FV 264 ;
VH 328 ; VIA 126
Manjaka Andriamanitra ! Aleloia ! – FV
333 ; VH 452 ; VIA 94
An’Ilay Zanakondrin’Andriamanitra anie – FV
282 ; VH 450 ; VIA 118
Amin’ny Anaran’i Jesoa – FV 327 ; VH 333 ;
VIA 84
Ankavanan’Andriamanitra – FV 401 ; VH 706
Ry Tomponay, Mpanjakanay rehetra – FV 376 ; VH
746
Izao
e no hiseho – FV 455 ; VH 327 ; VIA 189
Alohan’ny
tsodrano : vavaka ho fampihavanana
Hankalazaina
anie Ianao Ry Fon’i Jesoa
izay tonga hampihavana ny olon-drehetra
amin’ny
Rainao sady Rainay.
Ianao
no Teny nanavotra ny olona.
Tanana
mitsotra mankany amin’ny mpanota ;
lalana
hahatongavanay any amin’ny tena fiadanana.
Nofafanao
tamin’ny Ranao ny fahotan’izao tontolo izao.
Ianao
no fiadananay sy fampihavanana ho anay.
Mihanta
Aminao izahay, ry Fo feno fangorahana :
mba
esory ao am-ponay
izay
mety ho endri-pialonana sy fankahalana.
Omeo
anay ny Fanahinao Masina :
holevoniny
anie ny antony mahatonga anay hisaratsaraka.
Ary
haoriny ao anatin’ny Fitiavana lehibe
sy
mendrika indrindra anie izahay
ka
ho feno hafaliana ny fonay,
hihavananay
dieny izao,
ary
hahafahanay manolotra tsy misy fihatsaram-belatsihy
ny
Sorona mampihavana anay amin’ny Ray.
Amen.
Hira
fihobiana ny Eokaristia sy vavaka
Enga anie, ry Tompo, ny Sakramentan’ny Eokaristia
izay tianao hanovozanay hery hanenika ny fonay amin’ny fitiavana Anao mba
hampiredareda ny fanirianay ny haren’ny lanitra. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Tomponay. Amen.
Fihobiana
aorian’ny tsodrano
A/ Tsarovy izahay
rahatrizay
fa ho avy indray Ianao, ry Jesoa ô -
/ Tsarovy...
F/ Ianao izay tsy mandà
ny fo mivalo – A/ Tsarovy…
F/ Ianao izay nanaiky
hatramin’ny fahafatesana – A/ Tsarovy…
F/ Noho ny fonao
misokatra
noho ny tananao voafantsika – A/
Tsarovy…
F/ Voninahitra anie... – A/ Tsarovy…
3. Hibanjina an’ilay nolefoniny izy ireo
Avy amin’ny Fon’i
Jesoa, misokatra eo amin’ny Hazofijaliana, no ahaterahan’ny olombelona amin’ny
fo vaovao, entanin’ny Fanahy ary miombona amin’ny mpiarabelona ao amin’ilay
ankohonam-pitiavana atao hoe Eglizy (Léon Dehon).
Fanaingana
« Andro fiomanana
amin’ny Paka tamin’izay, ary tokony ho tamin’ny ora fahenina ; dia izao no
nolazain’i Pilaty tamin’ny Jody : Indro ny Mpanjakanareo. Fa niantsoantso
izy ireo nanao hoe : Esory, esory, fantsiho amin’ny hazofijaliana izy. Ka hoy i Pilaty taminy : Dia hofantsihako
amin’ny hazofijaliana va ny Mpanjakanareo ? Fa hoy ny lohandohan’ny
mpisorona hoe : Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara. Tamin’izay dia
natolony azy hofantsihana i Jesoa, ka noraisin’izy ireo izy, dia nentiny.
Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliany, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvery
izy, na hoe Golgotà amin’ny teny hebrio. Teo no namantsihany azy tamin’ny
Hazofijaliana, niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo
an-daniny roa, fa i Jesoa teo afovoany » (Jo 19,14-18).
Vavaka
iombonana (1 P 2,21-25)
Nijaly
ho antsika koa i Kristy,
ka
namela fianarana ho antsika, mba hanarahantsika ny diany :
dia
izy, ilay tsy nanota akory, na mba niloa-bava hilaza fitaka velively ;
Izy
ilay notevatevaina, nefa tsy mba nandrahona,
fa
nanolo-tena tamin’ny mpitsara azy tsy an-drariny ;
Izy
ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambony hazo,
mba
ho faty isika raha ny amin’ny ota,
fa
ho velona kosa amin’ny fahamarinana ;
ary
ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika
Fa
efa toy ny ondry nania isika,
ary
indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahintsika.
Mba ivavahana sy andinihana mandritra ny Fitsaohana
Jo 19,28-37 : Hibanjina an’Ilay nolefoniny izy
ireo
Zak 12,10 ;13,1-2 : Amin’izany andro izany
hisy loharano hisokatra
Iz 52,13-53,12 : Nolefonina noho ny
fahotantsika izy
Sal 40 : Nanangana ny ombalahin-tongony hamaly
ahy ilay namako
Torohevitra momba ny hira
Mitsangàna ka banjino – FV 217 ; VH 449 ;
VIA 195
Ry Fo Masin’i Jesoa (and 1.2) – FV 532 ; VH 771
Aoka hanatona ny Tompo – FV 434 ; VH 440 ;
VIA 440
Ianareo 'zay lavitra taloha – FV 79 ; VH
298 ; VIA 130
Alohan’ny
tsodrano : fanolorantena
Misaotra
Anao izahay, ry Ray,
satria
sitrakao ny nandraisan’i Kristy Zanakao anjara
amin’ny
fahosanay tamin’ny fijalian’ny vatany,
mba
hanafaka anay voageja.
Nataonao
mitovy aminay Izy
mba
ho Mpisorona mpamindra fo
sy
mendrika itokisana
hisolo
heloka ny vahoakanao mpanota.
Ho
amin’izany indrindra no nisedrana Azy mafy,
ka
tonga fanalana ny ota tamin’ny alalan’ny Rany nafoiny Izy.
Enga
anie, ry Tompo,
mba
hiainanay àry ny fiombonany taminay,
mba
ho afaka miray aina,
ka
manampy ireo tojo sedra tsy eran’ny aina izahay.
Ataovy
tsapanay koa ny fahorian’ireo ianjadian’ny tsy rariny
sy
ny fahotana ny fiainan’ireo diso lalana.
Ampiraiso
amin’ny fanoloran-tenan’i Kristy tonga sorona ny fiainanay ;
amin’izay,
dia ho tonga any an-dapanao masina izahay
indray
andro any.
Amen.
Hira
fihobiana ny Eokaristia sy vavaka
Hanilo anay anie ny finoana ry Tompo, ary mba hirehi-pitiavana Anao anie
izahay, hahafahanay mitsaoka Anao amin’ny fanahy feno fahamarinana ilay inoanay
ao amin’io Sakramenta Masina io fa Tompo sady Andriamanitray. Izy ilay velona
sy manjaka amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fihobiana aorian’ny tsodrano
F/ Mpisorona mandrakizay Ianao,
ry Jesoa - / Mpisorona...
Noho ny herin’ny fiainanao, F/
Mpisorona…
Noho ny fanalalanao tsy sasatra, F/
Mpisorona…
Noho ny fanoloran-tenanao, F/ Mpisorona…
Voninahitra
anie… - F/ Mpisorona...
4. Nataony fanjakana mpisorona isika
Ny firaiketana amin’i Kristy dia
miseho endrika sy mifantoka ao amin’ny sorom-pitiavan’ny Eokaristia, ka
mahatonga ny fiainana manontolo ho sorona masina mandrakizay (Léon Dehon).
Fanaingana
Ho an’ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika
tamin’ny rany, sy nanao antsika ho fanjakana amam-pisoron’Andriamanitra Rainy,
eny, ho Azy anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay doria. Amen. Indro
Izy avy eo amin’ny rahona, ka nahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo
nandefona Azy aza ; ary handon-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany
amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen. Izaho no Alfa sy Omega, fiandohana sy
fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia ilay ankehitriny sy taloha ary ho
avy, mahefa ny zavatra rehetra » (Apok 1,5-8).
Vavaka
iombonana (Apok 4,8.11;5,9-14)
Masina,
Masina, Masina ny Tompo Andriamanitra,
mahefa
ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
Ianao,
ry Tomponay sy Andriamanitray
no
mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana,
fa
Ianao no nahary ny zavatra rehetra,
ary
noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.
Ny
Zanakondry izay voavono
no
mendrika handray ny fahefana, ny harena,
ny
fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra ary ny saotra.
Ho
an’ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana
sy
ho an’ny Zanakondry anie
ny
dera sy ny haja
ary
ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay mandrakizay !
Amen.
Mba ivavahana sy andinihana mandritra ny Fitsaohana
1 P 2,1-10 : Ilay fisoronana vaovao
Jo 1, 29-39 : Indro ny
Zanakondrin’Andriamanitra
Sal 7 : Ianao no mamoaka fitsarana marina
Torohevitra momba ny hira
Nanao antsika ho mpisorona – (FV 310 ; VH 333)
VIA 406
Jesoa mikaroka mpiasa vaovao – FV 372 ; VH 523
Ny voninahitr’Andriamanitra Ray – FV 328 ; VH
385 ; VIA 88
Ry vahoaka voafidy – FV 245 ; VH 326 ; VIA
134
Efa nomena Ahy ny fahefana –FV 146 ; VH
335 ; VIA 181
Isika
no tempolin’Andriamanitra – FV 328 ; VH 413 ; VIA 87
Alohan’ny tsodrano : fanolorantena
Ry
Jesoa Kristy Tompo
Mpisorona
Avo indrindra sy mandrakizay ô,
mba
arotsahy ao aminay
ilay
Fanahy maha-mpisorona
izay
manokana anay
amin’ny
fanavaozana an’izao tontolo izao ao aminao.
Omeo
fo vonona lalandava izahay ;
omeo
anay ny fitiavanao ny olombelona
izay
namoizanao ny ainao sy nitsangananao ho velona.
Ataovy
miaina izay torînay izahay.
Hatokanay
ho anao anie ny fiainanay manontolo
sy
izay fonosin’izany
dia
ny hafalianay sy ny fijalianay,
ny
asanay sy ny hevitray ary ny vavakay
mba
ho famantarana ny fitiavanay anao.
Amen.
Hira fihobiana ny Eokaristia sy vavaka
Andriamanitra ô, namelanao ny fahatsiarovana ny
fijalianao izahay amin’ izao Sakramenta misy ny Vatanao sy ny Ranao izao, koa
enga anie ho fatrapanaja izany mistery izany izahay mba handrenesanay lalandava
ny vokatry ny fanavotanao anay. Fa Ianao Andriamanitra velona sy manjaka
amin’ny taona mandrakizay. Amen.
Aorian’ny tsodrano
F/ Hanome voninahitra ny
Tompo
mandrakizay na aiza na aiza - /
Hanome...
A/ Eo am-bavako lalandava
ny fiderana Azy * Mandrakizay…
A/ Mankalazà ny Tompo
miaraka amiko ianareo rehetra * Mandrakizay…
A/ Deraontsika rehetra ny
Anarany * Mandrakizay…
Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny
Zanaka sy ny Fanahy Masina
F/ Hanome voninahitra…
5. Manatòna ahy izay mangetaheta
Tsy misy loharano hafa an-koatran’ny
Fon’i Jesoa. Loharano velona izy ka mankahery, miboiboika hanjary fiainana
mandrakizay (Léon Dehon).
Fanaingana
« Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia
nitsangana i Jesoa ka niantso hoe : Raha misy mangetaheta, aoka izy
hanatona Ahy ka hisotro. Fa hisy onin-drano velona hiboiboika avy ao
anatin’izay mino Ahy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina. Ny Fanahy
horaisin’izay hino azy no nambarany tamin’izany ; fa tsy mbola nomena ny
Fanahy, satria tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny i Jesoa » (Jo 7,37-39).
Vavaka iombonana (Iz 12,1-6)
Midera
anao aho, ry Tompo, fa tezitra Ianao,
nefa
nihodivitra ny hatezeranao,
ka
mampionona ahy Ianao.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako ;
matoky aho, fa tsy manan-tahotra ;
fa ny heriko sy fiderako, dia ny Tompo,
Izy
no famonjena ahy teo.
Hanovo
rano an-kafaliana ianareo
amin’ny
loharanom-pamonjena,
ary
izao no holazainareo amin’izany andro izany :
Miderà
ny Tompo, miantsoa ny Anarany ;
torio
amin’ny firenena ny asany lehibe,
ataovy
antso avo, fa tafasandratra ny Anarany
Mihirà
ho an’ny Tompo fa nanao zava-mahagaga Izy ;
ka
aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany !
Miantsoa
mafy, manaova firavoravoana
ry
ianao mponina any Siona,
fa lehibe eo afovoanao,
ilay Masin’Israely !
Mba ivavahana sy andinihana mandritra
ny Fitsaohana
Jo 4,5-15 : Omeo amin’izany rano izany re aho
Ez 47, 1-12 : Nisy rano nivoaka avy ambanin’ny
tokonan’ny trano
Eks 17,1-7 : Hikapoka ny vatolampy ianao, dia
hivoaka rano
Sal 41-42 : Mangetaheta an’Andriamanitra ny
fanahiko
Torohevitra momba ny hira
Sambatra izay noana – FV 276 ; VH 278 ;
VIA 97
Rano miboiboika – FV 44 ; VH 399 ; VIA 136
¢Lay niteraka antsika indray – FV 140 ; VH 505 ; VIA 433
Alohan’ny tsodrano: fanolorantena
Ry
Jesoa Kristy,
ny
fijalianao no nahazoanao ilay Batemy izay nirinao fatratra.
Novesaran’ny
fahorianay tokoa Ianao
no
nanolotra ny tenanao tsy nanan-tsiny.
Ny
ferinao no nahazoanay fahasitranana ;
ary
ny sitrakao natao sorona no nanamasinana anay.
Feno
ny Fanahy Masina Ianao no nanolotra ny Ray ny tenanao
amin’ny
maha-Mpisorona mandrakizay anao.
Indro
izahay mibanjina amim-pinoana ny Lanivoanao misokatra
izay
ivoahan’ny Rano mahavelona hahalonaka ny tany efitry ny fiainanay,
sy
ilay Ra Fanekem-pihavanana mandrakizay.
Ry
Zanakondrin’Andriamanitra tsy misy tsiny,
fatra-pitia
anay sy mpanala ny fahotan’izao tontolo izao ô,
mba
ampiraiso amin’ny soron’ny tenanao ny fiainanay manolo-tena.
Ry
Mpiandry ondry tsara izay
nanolo-tena ho anay ondrinao ô,
mba
ataovy halainay tahaka Ianao
eo
am-panompoana ireo mpiray tampo aminay
ho
fampiraisana ny Eglizinao.
Hamasino
amin’ny fahamarinanao izahay
ary
tahirizo amin’ny Anaranao.
Fenoy
ny fitiavana izay nitiavanao anay izahay
mba
hinoan’izao tontolo izao sy hiainany
ho voninahitry ny Ray mandrakizay. Amen.
Hira fihobiana ny Eokaristia sy vavaka
Ry Andriamanitra izay nanavotra ny olombelona
rehetra tamin’ny alalan’ny misterin’ny Pakan’i Kristy ô, arovy ao aminay ny
asan’ny fitiavanao. Ary enga anie izahay mba ho afa-mankalaza ny misterin’ny
famonjena anay amim-pinoana marina hiotazanay ny vokatr’izany. Amin’ny alalan’
i Jesoa Kristy Tomponay. Amen.
Fihobiana aorian’ny tsodrano
F/ Omeo fo vaovao izahay,
ry Tompo,
asio fanahy vaovao ao anatinay, ry
Tompo - / Omeo...
A/ Raha misy mangetaheta,
aoka izy hanatona ahy ka hisotro – F/ Omeo…
A/ Hataoko ao anatinareo
ny Fanahiko ka ho velona ianareo – F/ Omeo…
Voninahitra anie ho an’ny Ray
sy ny Zanaka
sy ny Fanahy Masina - F/ Omeo…
6. Mpanompon’ny Fanjakana tahaka azy isika
Tokana ihany ny asa dia ny mitia
amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza misy anao, na manao ahoana na manao
ahoana toe-javatra misy (Léon Dehon).
Fanaingana
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Andriamanitra be
voninahitra, no nifidy antsika, ary nanokana antsika mba hitory ny Evanjeliny
izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny Mpaminany ao amin’ny Soratra
Masina, momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo, ary
naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan’ny maty. Izy no
nandraisantsika ny fahasoavana sy ny maha-apostoly antsika mba hampanaiky ny
jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany » (cf Rom 1,1-5).
Vavaka iombonana (Ef 1,2-11)
Isaorana
anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay
nitsodrano antsika tao amin’i Kristy,
amin’ny
tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra,
sy
nifidy antsika tao aminy, talohan’ny nahariana izao tontolo izao
mba
ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary
nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony,
mba
ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika ;
nampamirapiratra
ny voninahitry ny fahasoavany izany
dia
ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’Ilay malalany.
Izy
no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany,
sy
ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany
izay
nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika
tamin’ny
fahendrena amam-pahalalana rehetra
fa
nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony,
izay
nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny, rehefa feno ny andro :
dia
ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy
na ny any an-danitra, na ny
ety an-tany.
Mba ivavahana sy andinihana mandritra
ny Fitsaohana
Mk 10,41-45 : Ny mba hanompo no nahatongavako
1 Ko 9,19-27 : Nilatsaka ho mpanompon’ny olona
rehetra aho
Iz 49, 1-7 : Mpanompoko ianao
Torohevitra momba ny hira
Mba sambatra e izay mitia manompo – FV 83 ; VH
554 ; VIA 141
O ry Jesoa Kristy Tompo ô (and. 4.5) – FV 186 ;
VH 525 ; VIA 490
Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa (and. 2.3) – FV
433 ; VH 652 ; VIA 376
Nifidy
ahy ny Tompo – FV 104 ; VH 522 ; VIA 196
Alohan’ny tsodrano: fanolorantena
Ry
Jesoa Tompo ô,
nahafoy
ny tenanao manontolo mba ho faty ho anay Ianao.
Ho
valin’izany fahafoizanao tena izany,
dia
te-hanaraka ny lalan’ny Fitiavana izahay anio.
Te-ho
tia sy hanompo anao eo amin’ny namanay izahay
ary
te-hiaraka hiroso ho any amin’ny Ray
eo
am-panehoana hafaliana sy fankasitrahana azy ireo
noho
ny fitiavany anay sy noho ny fanampiany anay.
Hamela
ny fahaleman’izy ireo izahay
fa
indrindra hivavaka sy hiasa ho famonjena azy ireo.
Ankasitraho
re izao fanolorana ataonay izao
ary
ampiraiso amin’ny Sorona atolotra tsy an-kijanona amin’ny Ray
mba
ho famonjena ny olona navotanao.
Amen.
Hira fihobiana ny Eokaristia sy vavaka
Mba ekeo hankalaza araka ny tokony ho izy ilay
Zanakondry natao sorona ho anay izahay ry Andriamanitra Tomponay. Amin’izay dia
ho afa-kibanjina Azy ao anatin’ny zava-dalin’io mistery io izahay rehefa
hasehony miharihary ny fandreseny. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Fihobiana aorian’ny tsodrano
A/ Ianao no lalana,
fahamarinana ary fiainana,
Ry Jesoa, Zanak’Andriamanitra. - /
Ianao...
F/ Izay te-hahita ny Ray
dia mandalo ao aminao, * Ry Jesoa…
F/ Ianao no mahatarika
azy
ho amin’ny hafaliana tsy misy fetra, *
Ry Jesoa…
Voninahitra anie ho an’ny Ray… A/ Ianao...
7. Mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho
Ny lova sarobidy indrindra omeko
anareo dia ny Fo Masin’i Jesoa. Loharanom-pitiavana tsimaintsy hanjaka eto
amin’izao tontolo izao (Léon Dehon).
fanaingana
« Fa ho amin’izany no niantsoana antsika :
Nijaly ho famonjena antsika i Kristy ary namela ny ohatra nomeny ho antsika,
mba hanarahantsika ny diany » (cf 1 P 2,21).
vavaka iombonana: fibanjinana ny
fitiavan’i kristy
Ry
Jesoa Tompo ô,
omeo
anay ny fahasoavanao
hahaizanay
mibanjina ny Fonao
sy
hahitanay fahamasinana ao Aminao.
Ianao
no Ilay Masin’Andriamanitra, Zanakondry tsy misy pentina,
Olo-marina
tsy nahalala ota.
Tamim-pahatsorana
ombam-pahazavana
narahim-pitiavana
tsy nandiso fanantenana,
no
niainanao ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny olombelona.
Mba
ho famonjena anay sy ho Voninahitry ny Ray,
dia
tsy nitsaha-nieritreritra Ianao, niasa ary nitia.
Ianao
no lohan’ny olom-baovao :
Koa
tariho amin’ny lalan’ny fahadiovam-po izahay,
ampianaro
hanompo am-pifaliana,
mba
hahatonga ny Fanjakan’Andriamanitra,
eo
amin’ny fiainana andavanandro.
Ny
fanambinanao anie hambomba anay mba hanarahanay Anao :
amin’ny
fananana fo mba hitia, vatana mba hanompo,
sitrapo mba hanatanteraka izay rehetra iandrasan’ny
Ray aminay.
Ry
Jesoa Tompo, mamindrà fo aminay,
noho ny hatsaram-ponao.
Amen.
Mba ivavahana sy andinihana mandritra
ny Fitsaohana
Mt 11,25-30 : Mianara amiko…
1 Ko 1,17,31 : Izay ataon’izao tontolo izao ho
adala no nofidin’Andriamanitra
Sal 130 : Toy ny zaza vao notazana eo
am-pofoan-dreniny
Torohevitra momba ny hira
Ento ny jiogako – FV 166 ; VH 365 ; VIA
205
Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa – FV 433 ; VH
652 ; VIA 376
Aoka tsy hatahotra na hangorohoro – FV 234 ; VH
291 ; VIA 129
Izay manaraka Azy Tompo – FV 436 ; VH
354 ; VIA 155
Alohan’ny tsodrano: fanolorantena
Mankasitraka
Anao izahay, ry Andriamanitra Rainay,
fa
nandefa ho anay ny Fanahin’i Kristy Zanakao Ianao,
mba
hahatonga anay
ho
mpitondra ny teny ombam-bavaky ny vahoakanao, miaraka Aminy.
Miombona
amin’Izy Zanakao izahay,
no
manolo-tena sady mitalaho Aminao ho famonjena ny namanay.
Irinay
tokoa ny hitondra eo anolohanao ny jiogan’ireo tra-pahoriana,
toy
ny nataon’i Kristy niara-nihinana tamin’ny mpanota.
Amparo
ny tananao, ry Tompo,
ka
aoka ny tombokasen’ny Hazofijalianao hanentana ny fiainanay.
Mamelà
ny helokay, ry Tompo ;
eny,
na dia lehibe hoatran’inona aza izany.
Koa
ny famindram-ponao anie hanenika ny olo-marina sy ny meloka,
hirotsaka
amin’ny mahantra sy ny malahelo,
hanarina
ireo tia setrasetra sy ireo enjehina.
Tompo
ô, mamindrà fo aminay, ka henoy izahay.
Havaozy
ny fonay ; ka ho sitrakao anie ny hijoroanay eo anoloanao.
Ampio
izahay ho sorona mendrika Anao mandrakariva,
ka
ho toy ny mofo sy divay navahana atolotra Anao,
mba
ho tonga any amin’ireo mitakiky anatin’ny haizina
sy ny aloky ny fahafatesana anie
ny
fanjakam-pahasoavana sy famindrampo avy Aminao.
Amen.
Hira fihobiana ny Eokaristia sy vavaka
Enga anie, ry Tompo, izao Sakramenta tsangambaton’ny
fitiavana izao hampiredareda ny fitiavana masina ao am-ponay, hany ka rehefa
voasintona mandrakariva hanatona ny Zanakao izahay dia hiezaka hahita Azy koa
ao amin’ny namanay. Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.
Fihobiana aorian’ny tsodrano
F/ Ao aminao ny
loharanon’ny fiainana
Hitanay ilay hazavana, noho ny
fahazavanao - / Ao aminao...
A/ Sarobidy loatra ny
fitiavanao, ry Tompo * Hitanay…
Voninahitra anie ho an’ny Ray
sy ny Zanaka
sy ny Fanahy Masina – F/ Ao aminao…
8. Rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany aho, dia hitarika ny olon-drehetra hanatona ahy
Aoka isika samy hitondra amin-jotom-po ny hazofijalian’ny
faharetana, ny fahafoizan-tena, ny fanaovan-tsorona ny tena ho an’ny asan’ny
Fon’i Jesoa (Léon Dehon).
Fanaingana
« Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy
izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona. Tahaka ny
nanandratan’i Moizy ny bibilava tany an’efitra no tsimaintsy hanandratana ny
Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana
mandrakizay. Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy
mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa hitoeran’ny
hatezeran’Andriamanitra » (Jo 3,13-15.36).
Vavaka iombonana « En cor
illud »- Thesaurus precum scj
Ry
Jesoa Tompo ô,
mino
ny Fitiavanao izahay,
ary
tianay ny hanana fanahy mahay mankasitraka,
mba
hahita ny fomba isehoanao,
ka
ho vonona hanoina ny antsonao hatrany.
Raiso
ary ataovy lavorary
ny
ezakay hamaly ny antsonao amin’ny alalan’ny fitsaohana,
sy
fankasitrahana ary fitiavana,
mba
ho iray bebe kokoa hatrany
amin’ny
fanoloran-tena ombam-panonerana ataonao izahay.
Velomy
amin’ny finoana velona
mifototra
amin’ny fitiavana izahay sy ireo mpiara-belona aminay,
mba
hiainanay sy hijoroanay ho vavolombelona,
hanambara ny Fitiavanao
lavorary.
Amen.
Mba ivavahana sy andinihana mandritra
ny Fitsaohana
Jo 12,20-33 : Raha tsy maty ny voam-bary
nafafy…
Fan 21,4-9 : Izay hijery azy dia velona
Jo 19,17-22 : Nofantsihany Izy
Sal 131 : Aza manifika ny tavan’ny Voahosotrao
Torohevitra momba ny hira
Rehefa tafasandratra – FV 332 ; VH 335 ;
VIA 91
Ny voa nafafy – FV 260 ; VH 323 ; VIA 161
Mba ho fantatr’izao tontolo izao e – FV 144 ;
VH 440 ; VIA 241
Indray hariva izay – FV 109 ; VH 509
Ry
Rainay an-danitra ao – FV 462 ; VH 738 ; VIA 471
Alohan’ny tsodrano: fanolorantena
Mitsaoka
anao izahay, ry Jesoa Tompo,
fa
ianao nanafaka anay tamin’ny Hazofijalianao masina.
Fitoeram-pampihavanana
tokoa ilay Hazo sarobidy
fa
izy mihitsy no ihaonan’Andriamanitra Ray sy ny olombelona mpanota.
Koa
misaotra, mankasitraka, mankatelina Anao izahay
noho
ny nanavotanao anay
sy
ny nanomezanao tombon’andro
hahafahanay
handinika
momba
ny misterin’ny nijalianao sy ny nahafatesanao
ary
ny nitsangananao velona tamim-boninahitra lehibe.
Ary
ho marim-pisaorana anao
dia
atolotray anao ny fiainanay manontolo
fa
indrindra ny fonay olombelona osa sy malemy.
Mba
omeo fo tsy voazara na miefitrefitra izahay
fo
vonon-kanao sorona ny zava-drehetra,
manaraka
ny ohatra omenao, miaritra ny fijaliana rehetra,
miasa
sy mirotsaka an-tsehatra, mahafoy ny zava-drehetra,
manome
ny ainy aza
ho
voninahitry ny Ray,
ho
fitiavana Anao be indrafo sy ho famonjena ny olombelona.
Ataovy
mahay mitandrina ny sitrapon’ny Ray izahay
ary
mba omeo fikasana hanaiky ny asan’ny Fanahy Masina
mba
ho tonga tolotra madio ao amin’ny Fitiavanao
ny
fiainanay manontolo. Amen.
Hira fihobiana ny Eokaristia sy vavaka
Mino izahay ary miaiky fa i Jesoa Zanakao naterak’i
Maria Virijiny ho anay, nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ho anay dia velona
ao amin’ny Sakramentan’ny Eokaristia ; koa ataovy mahita famonjena
lalandava ao amin’izany loharanom-pahasoavana masina izany izahay. Amin’ny
alalan’i Jesoa Kristy Tomponay izany. Amen.
Fihobiana aorian’ny tsodrano
F/ Ry Kristy ô, Ianao
ilay Zanak’Andriamanitra velona
* Aleloia,
aleloia ! - / Ry Kristy...
A/ Tafatsangan-ko velona *
Aleloia, aleloia !
Voninahitra anie ho an’ny Ray
sy ny Zanaka
sy ny Fanahy Masina F/
Ry Kristy ô…
9. mitomoera ato anatiko
Fitokisana sy fitiavana no
hisandratrako mankamin’Andriamanitra. Na dia feno heloka bevava aza ny ao
anatiko ao, dia tsy hahavery fitokisana ahy velively izany (Léon Dehon).
Fanaingana
« Mitomoera ao amiko, ary
izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka
tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko.
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy
itoerako no mamoa be, satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona
ianareo » (Jo
15,4-5).
Vavaka iombonana: fanokanantena amin’i
Fon’i Jesoa (Leon XIII)
Ry Jesoa mora fo indrindra, Mpanavotra ny olombelona
rehetra ô,
mba topazo maso miantra izahay miankohoka eto anatrehanao.
Anao izahay ary sitrakay izany ;
fa mba hahamafimafy kokoa ny firaiketanay Aminao,
dia inty izahay anio samy faly manokan-tena amin’ny Fonao
Masina.
Betsaka ny olona tsy mahalala Anao,
betsaka koa ny manaratsy Anao sady mandika ny
didinao ;
mba mamindrà fo amin’izy rehetra, ry Jesoa,
ary tariho hiditra ao anatin’ny Fonao masina izy.
Tompo ô, mba anjakao daholo ny kristianina mbola tsy
nisaraka taminao ;
anjakao koa ireny zaza mpandany nandao Anao ireny,
ary ampodio faingana any an-tranon-drainy izy
sao matin’ny fahoriana sy ny hanoanana.
Anjakao izay voafitaky ny fampianaran-diso
na izay tsy nifanara-kevitra tamin’ny Eglizy ka nisaraka
taminy ;
avereno amin’ny lalan’ny marina sy amin’ny finoana tokana
izy,
mba tsy hisy afa-tsy vala tokana sy mpiandry ondry tokana.
Ary anjakao koa ireny mbola manompo andriamanitra tsy izy
ireny ;
esory amin’ny maizina izy,
ka ampodio amin’ny fahazavana sy amin’ny
Fanjakan’Andriamanitra marina.
Tompo ô, vonjeo ny Eglizinao, ampiadano izy, ary afaho
amin’izay manampona azy.
Ataovy mandry fehizay sy milamina tsara ny firenena
rehetra,
Ary aoka hanako eran’ny tany aman-danitra izao teny tokana
izao :
« Voninahitra anie ho an’ilay Fo Masina mamonjy
antsika ;
dera sy
laza anie ho Azy mandrakizay alaovalo. Amen ! »
Mba ivavahana sy andinihana mandritra
ny Fitsaohana
Jo 8,31-59 : Tsy mahay mihaino ny Teniko
ianareo
Iz 5,1-7 : …voaloboka no nantenaiko ho voany…
Iz 1,2-20 : Namelon-jaza aho, kanjo izy ireo
niodina tamiko
Torohevitra momba ny hira
Raha te-ho sambatra ianao – FV 168 ; VH 359
Kristy velona, Kristy Zanaka – FV 294 ; VH
695 ; VIA 261
Vonona aho, Tompo – FV 372 ; VH 751
'Zaho
no tena foto-boaloboka – VIA E15
Alohan’ny tsodrano: fanoloran-tena
Ray
Masina ô,
tao
amin’ny Zanakao malalanao no nanavotanao izao tontolo izao.
Nampandraisanao
anjara
tamin’ny
fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona
ary
amin’ny valim-pitiavana anentanany ny Eglizy izahay.
Nantsoinao
izahay
mba
hanolo-tena hiaraka amin’ny Zanakao,
Koa
hamasino amin’ny fahamarinana izahay, amponeno ao Aminy,
dia
ho tahaka ny sampana mamoa satria miray amin’ny fototra.
Ataovy
miseho amin’ny fiainanay ny fitiavany.
Ka
ny fahazavan’ny Teninao anie hanokatra ny lalam-piaiananay
mandra-piarahanay
migoka ny fiainanao feno ao amin’i Kristy.
Noho
ny ohatra nomeny sy ny fahasoavany,
dia
enga anie ho vonona mandrakariva izahay
ka
ho fanatitra tahaka an’i Maria mpanompovavinao.
Hahay
hitory ny herin’ny famindram-ponao anie izahay
ka
hiasa mba hahatonga ny Fanjakanao. Amen.
Hira fihobiana ny Eokaristia sy vavaka
Ry Andriamanitra Rainay ô, mitsaoka anao izahay noho
ny zava-dehibe tanterahinao ho anay ao amin’i Jesoa Kristy Zanakao izay
banjininay sy tsaohinay amin’ity Sakramenta mahagaga ity. Enga anie izahay
tsilovin’ny Fanahinao Masina, mba hiaiky fa voaantsonao hitory ny Vaovao
Mahafaly sy hijoro ho vavolombelon’ny Fitiavanao. Ampiraiso àry ny fanoloranay
tena amin’ny soron’ny Zanakao mba ho voninahitrao sy ho famonjena anay. Fa Izy
velona sy manjaka miaraka aminao sy ny Fanahy Masina mandrakizay mandrakizay.
Amen.
Fihobiana aorian’ny tsodrano
F/ Jereo ny hanoananay,
ry Mpanavotra an’izao tontolo izao
*
Zarazarao aminay ny teninao sy ny mofonao / Jereo...
A/ Izaho no ilay mofon’ny
fiainana :
izay manantona ahy dia tsy ho noana
na oviana,
izay mino ahy tsy hangetaheta na
oviana * Zarazarao…
A/ Izay mihinana ny
nofoko sy misotro ny rako
no manana ny fiainana mandrakizay
ary Izaho hanangana azy amin’ny
andro farany F/ Jereo…
Litanian’ny Fo Masin’i Jesoa
Mpitarika : Ry Fon’i Jesoa, Zanaky ny Ray mandrakizay,
Daholo : - Ambarao ny olona rehetra ny Ray.
Ry Fon’i Jesoa, noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’i Maria Virijiny,
-
Arotsahy ao am-ponay ny Fanahy Masina mba hanova azy ho endrikao.
Ry Fon’i Jesoa, iray tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra,
-
Hamafiso ny firaisanay Aminao.
Ry Fon’i Jesoa, ambony indrindra,
-
Hankalaza sy hidera Anao mandrakariva sy amin’ny fotoan-drehetra anie izahay.
Ry Fon’i Jesoa, Tempoly masin’Andriamanitra.
-
Ampio izahay hivoatra hatrany noho ny Batemy noraisinay, ka ho
Tempolin’Andriamanitra.
Ry Fon’i Jesoa, fitoeran’ny Avo indrindra.
-
Enga anie izahay ho fitoeranao, ka hahafahan’ny hafa mahita Anao.
Ry Fon’i Jesoa, Tranon’Andriamanitra sy Varavaran’ny lanitra,
-
Ento any an-danitra any amin’ny toerana hiarahanay mandrakariva Aminao izahay
rehetra.
Ry Fon’i Jesoa, mivaivain’ny fitiavana,
-
Doroy amin’ny afom-pitiavanao ny tany tontolo.
Ry Fon’i Jesoa, fonenan’ny rariny sy ny fitiavana,
-
Ataovy tsapanay fa tia anay Ianao.
Ry Fon’i Jesoa, feno fitiavana sy hatsaram-po,
-
Ampitomboy ao am-ponay ny fitiavana feno fangorahana.
Ry Fon’i Jesoa, niangonan’ny hatsaram-panahy rehetra,
-
Arotsahy ao am-ponay ny tsimok’izany hatsarana izany, mba hahatonga anay ho
tena mpianatrao.
Ry Fon’i Jesoa, mendrika hoderaina,
-
Enga anie izahay hidera Anao hatrany amin’ny fahamasinam-piainana.
Ry Fon’i Jesoa, mpanjaka sy iorenan’ny fo rehetra,
-
Aoreno ao amin’ny fon’ny olombelona rehetra ny Fanjakan’ny fitiavanao.
Ry Fon’i Jesoa, itoeran’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahaizana rehetra,
-
Ataovy miraikitra lalina ao anatinao izahay, hahazoanay tsaratsara kokoa
hatrany ny Teninao.
Ry Fon’i Jesoa, fonenan’ny hafenoan’Andriamanitra,
-
Ampahafantaro ny olon-drehetra fa Zanaky ny Ray mandrakizay Ianao, ary
Andriamanitra tokana miaraka Aminy ao amin’ny Fanahy Masina.
Ry Fon’i Jesoa, nahafa-po ny Ray,
-
Hamasino ny asanay tsirairay, ho mendrika ka hankasitrahan’ny Ray any
an-danitra.
Ry Fon’i Jesoa, Tompon’ny hafenoana mirotsaka aminay rehetra,
-
Arotsahy ao am-ponay ny hafenoan’ny fahamasinana amam-pitiavanao.
Ry Fon’i Jesoa, itodihan’ny havoana hatrizay ka ho mandrakizay,
-
Areheto ao am-ponay ny faniriana hahita Anao, ka hifanatrika ary hiara-monina
Aminao.
Ry Fon’i Jesoa, manam-paharetana sy mpamindra fo,
-
Ataovy tsapan’ny mpanota rehetra ny halehiben’ny famindram-ponao, ka
hotadiaviny hatrany anie ny famelan-keloka ao Aminao.
Ry Fon’i Jesoa, rakitsoa ho an’ireo mitaraina Aminao,
-
Ekeo ny vavakay aminao izao, mba ho tonga anie ny Fanjakanao.
Ry Fon’i Jesoa, loharanon’ny fahamasinana,
-
Mba hivelomanay anie ny fiainan’Andriamanitra niainanao, ary fenoy ny fahamasinanao
izahay.
Ry Fon’i Jesoa, ho Solohelokay,
-
Sasao amin’ny Ran’ny Fonao izahay ho afaka amin’ny otanay sy ny an’izao tontolo
izao.
Ry Fon’i Jesoa, tototry ny fihizingizinana tsy marina,
-
Ampianaro izahay hanaraka Anao amin’ny lalan’ny fanetren-tena sy hanaiky hietry
toa Anao.
Ry Fon’i Jesoa, montsana noho ny fahotanay,
-
Atanjaho ny fonay hibebaka noho ny fahotanay.
Ry Fon’i Jesoa, nanaiky hatramin’ny fahafatesana,
-
Hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny Hazofijaliana no namonjenao an’izao tontolo
izao, koa herezo izahay hanaiky hatrany sy hamonjy izao tontolo izao amin’ny
alalan’ny fahaizanay manaiky.
Ry Fon’i Jesoa, gorobaky ny lefona,
-
Arotsahy aminay, avy amin’ny fonao misokatra, ny sakeli-pahazavana, ary ny hery
sy fahasoavana.
Ry Fon’i Jesoa, iavian’ny fanalana alahelo rehetra,
-
Enga anie Ianao no ho fifaliana azo antoka, sy ho fanalana alahelo mahatoky ho
anay.
Ry Fon’i Jesoa, fiainana sy fitsangananay ho velona mandrakizay,
-
Atsangano ho amin’ny fiainam-pahasoavana ireo olona rehetra manalavitra izany.
Ry Fon’i Jesoa, soron’ny mpanota,
-
Avereno ao amin’ny fitiavanao izy rehetra.
Ry Fon’i Jesoa, vonjin’izay manantena Anao,
-
Manantena Anao izahay, ka arovy amin’ny ratsy rehetra, ary omeo ny fitiavanao.
Ry Fon’i Jesoa, mahafatifaty ny olomasina rehetra,
-
Hafalianay any an-danitra Ianao ; koa enga anie ho maminay dieny ety
an-tany.
*
Izany no angatahinay amin’ny Fonao ry Jesoa, dia Ianao izay velona sy manjaka
amin’ny taona mandrakizay.
Amen.