taombaovao
ranombavaky ny mpino
(fiangonana alahady tsy misy
pretra)
Noheverina hatao
amin’ny Fiangonana alahady tsy misy pretra ity Ranombavaky ny mpino ity; raha eken’ny pretra tomponandraikitra anefa, dia azo atao amin’ny fankalazana
ny Eokaristia ihany koa.
Loharano nipoirana: Andron’ny Tompo A 100; Sorona Masina Alahady 97; Pedrosa Ferreira, Fica
connosco, ed Salesianas, Porto 1991, pp 111-112.
Zavatra omanina (olona 7) : Boky Evanjely, Famantaranandro lehibe, Rakibolana, Kalandriê,
Boky Katesizy, Sapilé, Voninkazo.
Amin’ny fotoan’ny
Ranombavaka dia entina indray miaraka ireo fitaovana ireo ka mijoro akaikin’ny
Famakian-teny ny mpitondra azy.
Mpamaky teny iray no
manonona ny antony ivavahana: asandratra ny famantarana voalaza amin’izay ary
aseho amin’ny vahoaka; avy eo dia apetraka eo an-tongotry ny Ôtely na eo
akaikin’ny Tranon’omby mandritra ny fihirana ny fiveranana.
Mpitarika: Ry havana, amin’izao fitombohana ny Taona izao dia ndeha isika
hivavaka amin’Andriamanitra izay misy hatrizay; fa tiany loatra izao tontolo
izao ka nomeny azy ny Zanany Lahitokana, ary tiany homena miaraka aminy koa ny
fanambinana, ny fahasambarana sy ny fiadanana marina mandritra ny andro rehetra
hiainantsika:
Fiv: Ekeo, ry
Tompo izao vavakay e e! (na hafa…)
1. Boky Evanjely – Eto am-pibanjinana ny Boky Evanjely dia aoka isika hivavaka ho an’ny
Eglizy Renintsika: enga anie izy amin’ity taona ity ho afaka hampiroborobo ny
asa sahaniny eran-tany hanasoa ny olombelona. / Fiv: Ekeo, ry Tompo…
2. Famantaranandro – Ndeha isika hivavaka ho an’ny mpitondra sy ny mpikatroka rehetra ary
koa ho an’ireo mahafoy tena ka mandany andro aman’alina hanasoa ny namana: mba
hanovozany herim-po sy fahazotoana ity taona vaovao ity. / Fiv: Ekeo, ry Tompo…
3. Rakibolana – Ao anatin’ity Rakibolana ity no ahitantsika ireo teny rehetra
ampiasaina andavanandro. Koa aoka isika hivavaka mba hahitantsika mandrakariva
ireo teny mamy ifanaovantsika soa sy ifankatiavantsika mandritra ny andro
rehetra hiainantsika amin’izao taombaovao izao. / Fiv: Ekeo…
4. Kalandriê – Indro ny kalandriên’ity taombaovao ity. Ndeha isika hivavaka mba
hanjaka isan’andro vaky ny fiadanana sy ny fahamarinana ary ny hafaliana: ao
anatin’ny fianakaviantsika tsirairay, ny tananantsika, ny firenentsika sy eran’izao
tontolo izao. / Fiv: Ekeo…
5. Katesizy – Mivavaha isika mba hazoto hianatra katesizy ny ankizy sy ny tanora
ary ny olon-dehibe, hahafahantsika hanamafy ny finoantsika sy hampianatra eny
amin’ny manodidina antsika ny teny soa ampianarin’i Kristy. Ary mbola hivavaka
ihany koa isika mba ho maro amintsika ireo hahafoy tena hampianatra katesizy sy
hampibe ara-pinoana. / Fiv: Ekeo…
6. Sapilè – Mivavaha mba ho tena
Mpanjakantsika sy Renintsika tokoa i Maria Virjiny, ary hanampy antsika hahay
manangona ny olona rehetra ho fianakaviamben’Andriamanitra; ary isika koa mba
hazoto hivavaka isan’andro ho fiderana Azy sy ho famonjena an’izao tontolo
izao. / Fiv: Ekeo…
7. Voninkazo – Mivavaha isika ho an’ireo rehetra anaty fahoriana isan-karazany: ady,
fanenjehana, hanoanana, alahelo; ary mba hahatsapantsika fa mampijoro ho
mpampihavana sy mpitondra hafaliana ny maha-kristianina antsika. / Fiv: Ekeo…
Mpitarika: Amin’izao taom-baovao nomenao anay izao, ry Tompo, dia mahatsiaro ny soa
sesehena nanambinanao anay izahay: satria Ianao no nahary sy namonjy, Ianao
ihany no isaoranay sy antenainay; koa tahio sy vimbino izahay zanakao: tsy
hikely soroka hampiova an’izao tontolo izao ho feno fihavanana bebe kokoa, ary
ho sambatra mifanasoa, ho voninahitry ny Anaranao. Amin’ny alalan’i Kristy
Tomponay. Amen.